Raha ny filazan’ireo manodidina dia efa ela no tsy nifankahazo loatra ity raikely sy ny zana-badiny ity teo an-tanana. Ary saika miafara amin’ny vono sy daroka foana ny fifamalian’izy mianaka ireto. Tamin’ity indray mitoraka ity dia niafara tanteraka amin’ny fahafatesan’ilay vehivavy ny vono nahazo azy. Tranga niseho tany amin’iny distrikan’i Maroantsetra iny, ny alarobia lasa teo. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no nisy nampandre mahakasika ity trangana vono olona ity ny zandary tany amin’ny zana-tobi-paritra Rantabe. Vono olona izay niseho tao amin’ny kaominina Morafeno, distrika Maroantsetra. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto zandary ireto ary efa vatana mangatsiaka mihoson-drà sy feno mangana ary ratra sisa novantanin’izy ireo. Vehivavy 37 taona, izay monina tao amin’io toerana io ihany. Efa maty avokoa ny ray sy ny reny niteraka azy ary mipetraka tao amin’ny vadin’ny reniny izy nanomboka teo. Tamin’io andro io, raha ny fampitam-baovao azo dia nisy ny fifamaliana mahery vaika tamin’izy mianaka ireto ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana mihitsy izany. Nitondra tany amin’ny fahafatesan’ilay vehivavy mihitsy ny vono nahazo azy. Ary nony hitan’ity farany fa tsy nihetsika sy tsy nisy aina intsony ilay zana-badiny, dia nitsoaka toy ny tsy teo ny anao lahy. Taorian’ny fitsirihana ny razana moa dia nomena ny fokonolona teo an-toerana ny razana. Efa nisokatra kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ity ray kely nahavanon-doza ity any an-toerana.
m.L