- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Basy « kalach » vaovao, sarona teny am-pelan-tanan’olon-dratsy

Fianarantsoa : Basy « kalach » vaovao, sarona teny am-pelan-tanan’olon-dratsy

Mazàna ireo basy sy fitaovam-piadiana miparitaka eto amintsika, eny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy dia, na avy tamin’ireo mpitandro filaminana namoy ny ainy teny an-tanim-piadiana, na fitaovam-piadiana niparitaka tamin’ireny krizy nisesisesy teto amin’ny firenena ireny. Izany hoe basy efa avy nampiasaina avokoa ary mitondra ny laharam-pamantarana eto amintsika. Ireto basy “kalach” saron’ny zandary tany an-drenivohitr’i Betsileo ireto kosa anefa, dia mbola basy vaovao, ary tsy mbola nampiasaina sy nitifirana. “Toy ny hoe fitaovam-piadiana vao nivoaka ny ozinina ary nalefa avy hatrany taty amintsika” hoy ny fanazavana teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Sarona teny am-pelan-tanana telolahy izy ireo, izay nosamborina avy hatrany moa, herinandro vitsivitsy lasa izay. Tamin’ny alàlan’ny vaovao tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana no nahafantarana fa misy olona mitazona basy mahery vaika, tsy ara-dalana tao Ivato Centre. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary ary tamin’ny fisavana ny tranony no nahitana ireto basy vaovao ireto. Nalefa avy hatrany aty Andrenivohitra moa izy ireo, nanaovana fitiliana, hahalalana marina izay tena niaviany. Raha ny angom-baovao azo, dia “kalach” vita sinoa ireto basy ireto. Mitovy amin’ny fampiasan’ireo mpitandro filaminana eto amintsika ihany, saingy izy ireo mbola “manitra” araka ny fitenin’ny tanora, ary tsy ireo karazana fitaovam-piadiana azon’olon-tsotra tazomina rehefa nahazoana alàlana. Midika tanteraka izany, fa saika hanaovana asa ratsy ireto fitaovam-piadiana mahery vaika ireto, na ihany koa nokasaina halefa eny am-pelan-tanan’ny dahalo.  Hatreto dia mbola manohy ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra amin’izany, hahafantarana marina izay fomba nahatafidiran’izany “kalach” izany teto amintsika sy ny olona tao ambadik’izany. Fa miparitaka tanteraka mihitsy ny fitaovam-piadiana any amin’iny faritany Fianarantsoa iny. Antony nanosika ireto tompon’andraikitra eo anivon’ny zandariam-pirenena any an-toerana hanao hetsika ho famongorana izany. Raha ny fantatra hatreto, dia basim-borona tsy ara-dalàna  efa am-polony maromaro no efa sarona tao anatin’ny iray volana izay. Tsy ela akory, fa ny alarobia lasa teo, ihany koa dia nisy “Mas 36” telo saron’ny zandary tany Ambositra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici