- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa: Fampiasana « puce » ho an’ny omby, hiadiana amin’ny asan-dahalo

Fianarantsoa: Fampiasana « puce » ho an’ny omby, hiadiana amin’ny asan-dahalo

Mihazakazaka be ihany ny fandrosoan’ny teknolojiam-pifandraisana, raha ny eto Madagasikara no asian-teny. Manoloana ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana izay tsy nahitam-bahaolana maharitra hatreto, dia nivoaka indray ankehitriny ny tetik’asa fampiasana “puce” ho an’ny omby. Nisy araka izany ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ny faritra Matsiatra Ambony amin’ny fampiharana ity tetik’asa vaovao entina hiadiana amin’ny asan-dahalo any amin’iny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny. Ankoatra ny fampiasana ny kavin’omby sy ny “FIB” na ny karapanondron’omby dia fantatra izao fa, afaka miroso amin’ny fampiasana ny “puce” natokana ho an’ny omby ireo tantsaha mpiompy mba hahafahana manara-maso ireo ombiny sy hanamarinan’izy ireo ny maha tompon’omby azy raha sanatria misy ny fahaverezana. Etsy ankilany, tsapa ho mbola sarotra ihany ny hampiharana izao tetik’asa izao, indrindra raha ho an’ireo mpiompy any amin’ny tontolo ambanivohitra noho ny tsy fahafehezan’izy ireo ny fandrosoan’ny teknolojiam-pifandraisana. Ankoatr’izay, heverina fa  lafo tsy ho takatry ny fahefa-mividin’ireo tantsaha ihany koa raha ny vidin’ity “puce” izay apetaka amin’ny omby ity. Amin’izy ireo, dia tsy misy afatsy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifampitokisana eo amin’ny fokonolona tompon-tany sy ireo mpitandro ny filaminana ihany no antoka tsara hahafahana mamongotra ny asan-dahalo hatrany ifotony. Andrasana araka izany ny mety ho fiantraikan’izao tetik’asa vaovao izao amin’ny ezaka sy hetsika fampandriana tany any amin’ny faritra Matsiatra Ambony any.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici