- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Fanafihana mitam-piadiana sy famonoana ramatoabe, jiolahy telo voasambotry ny Polisy

Fianarantsoa : Fanafihana mitam-piadiana sy famonoana ramatoabe, jiolahy telo voasambotry ny Polisy

Mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana, vaky trano ary fanendahana sy sinto-mahery ao an-drenivohitry Betsileo. Mivondrona ho tambazotra matanjaka mihitsy ireo olon-dratsy, ka lasibatra hatramin’ny mpianatry ny oniversite. Afak’omaly, jiolahy telo tamin’ireo dimy nitam-piadiana nanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Ampitakely Fianarantsoa, ka nahafaty ramatoabe tompon-trano sy nahaverezana entana saro-bidy maro, ny alin’ny alarobia lasa teo, no voasambotry ny mpitandro filaminana. Raha ny fanazavana azo, dia tra-tehaka tany Ambalavao teo am-pivarotana entana halatra ny jiolahy iray, ka rehefa nofotorana lalina izy, dia nanondro ireo namany. Mbola karohina fatratra kosa amin’izao ny jiolahy roa tafaporitsaka. Fa jiolahy roa tamin’ireo namaky tranombarotra izay nahaverezana ordinatera sy entana hafa, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ankazoabo kosa no saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ Ampasambazaha, ny alatsinainy teo. Teo am-pivarotana solosaina iray mitetim-bidy 5 tapitrisa Ariary izy roa lahy ireto no tra-tehaka, ka tsy afa-nitsoaka intsony. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha, dia hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela ireo jiolahy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici