- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Gadra telo taona ny ben’ny tanàna teo aloha

Fianarantsoa : Gadra telo taona ny ben’ny tanàna teo aloha

Nivoaka ny didim-pitsaràna mahakasika ny ben’ny tanàna teo aloha tao Fianarantsoa, Sahondra Ratsimbazafy. Telo taona an-tranomaizina ny didy navoakan’ny fitsaràna misahana ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny sampana Fiaranatsoa (PAC Fianarantsoa). Izany dia noho ny fanamparam-pahefana tamin’ny fivarotana tany teny Ampasimbazaha izay feno toeram-pivarotana, eo ambanin’ny kianja Ampasambazaha. Isan’ny sazy azony koa ny fandraràna tsy hanao asam-panjakana mandritra ny roa taona ary koa ny tsy fahazoana mirotsaka amin’ny fifidianana izay misy mandritra ny dimy taona. Efa dimy andro lasa no nivoaka io didy io, saingy omaly kosa dia nisy didy hafa indray nampandoa lamandy azy fito tapitrisa ariary. Raharaha roa samihafa araka izany no nanenjehana ity ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha ity. Raha tsiahivina dia mbola migadra koa ny zanany izay minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha. Pejy maizina araka izany ny an’izy mianaka ary betsaka ny mpanara-baovao no mampifandraika ny raharaha ho valifaty politika. Na izany aza dia misy koa ny mahita fa tokony hizaka ny vokany toy izany ny mpanao kolikoly sy fanamparam-pahefana, indrindra ho an’ireo manam-pahefana teo aloha izay nanao tsindrio fa lavo. Betsaka izay mpanao politika volom-boasary nidoboka am-ponjasy voasazy ara-pitsaràna izay. Misy koa izy ireo no mbola any am-pitsoahana any, matetika any ivelany, ary raha vao migadona eto dia azo samborina avy hatrany. Misy koa anefa ireo izay tena nanao ny nataony kanefa tsy voakasika mihitsy rehefa nisafidy ny nangina. Toa ireo eto an-toerana ihany, raha ny fijerin’ny olona azy, no tratra farany. Saingy raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsaràna dia tsy misy ho afa-maina izay ananana dosie, saingy mandeha tsikelikely kosa.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici