Nisehoana fifandonana mafy dia mafy teo amin’ireo andian-jiolahy raindahiny isan’ny nampikaikaika ny mponina tao an-drenivohitr’i Betsileo tao sy ny polisy tany an-toerana. Miova tsy toy ireny horonantsary ireny raha ny fampitam-baovao azo. Vokatr’izay, telo tamin’ireo olon-dratsy no nandao ny tany, telo hafa voasambotra. Tsy nisy naninona kosa ny avy aty amin’ny mpitandro filaminana
Araka ny vaovao hatrany dia niainga tamin’ny trangana fanendahana tao Antarandolo, Fianarantsoa ny raharaha ny alarobia teo. Tsy vitan’ny tranga iraya fa indroa miantaona ary mitovy avokoa ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy : fandrahonana amin’ny fitaovam-piadiana, basy sy zava-maranitra, fanendahana ankitsirano izay miaraka amin’ny vono isan-karazany. Tsy vitsy ireo efa velon-taraina ary efa maro ihany koa ny very finday sy vola tamin’izany.
Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo polisy ary nisy ny fitsongoana dia ireo tontakely. Nampiaharana tamin’ireo angom-baovao isan-karazany amin’ny fitsirihana sy ireo tsara sitrapo dia fantatra fa manana toerana hiafenana izy ireo aorian’ny « opération ». Nanaovan’ny polisy bemidinanio toerana io ary nivonana tamin’ireo ambana isan-karazany izy ireo. Inona tokoa fa vantany fa nisy nahatsikaritra monja tao amin’ilay toerana fa misy polisy tamy dia efa nitatatata ny basy. Tsy maintsy niaro tena ny mpitandro filaminana hoy ny vaovao ka velona teo ny fifampitifirana. Nanohitra mafy iretsy andian-jiolahy saingy tsy nahaleo tosika ireo polisy. Vokany, io nandriaka io ny rà. Maty ny telo tamin’ireo olon-dratsy, voatifitra. Nibaboka kosa tetsy andanin’izay ny telo ambiny rehefa nahatsikaritra fa tsy hisomonga ireo mpitandro filaminana. Voalazan’ny fampitam-bavaon’ny polisy fa efa tsy zoviana tamin’izy ireo intsont izy telolahy namoy ny ainy ireto satria dia efa mpamerin-keloka. Ny iray tamin’izy ireo aza dia vao avy namita sazy. Iretsy telolahy azo sambom-belona kosa norohizana tady vy ary nentina nihazo sy notanana tao amin’ ny biraon’ny kaomisaria ho amin’ny famotorana azy. Heverina fa tsy ho ela dia atolotra ny Fampanoavana izy ireo, hoy ny vaovao, amin’ny fahavitanàny famotorana.
m.L




