- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Nahafaty olona indray ny fitsaram-bahoaka

Fianarantsoa : Nahafaty olona indray ny fitsaram-bahoaka

Ny iray maty vokatry ny daroka ary ny faharoa kosa notapahina tongony roa mba tsy ho afaka handeha intsony. Izany habibiana izany no nanjo ireo olona roa voarohirohy ho mpangalatra tany Ambalavato, fokontany iray ao Fianarantsoa. Taorian’ny fanafihana nitranga ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina, no tapa-kevitra ny olona ny nanara-dia ireo olon-dratsy. Ny iray tsy lasa lavitra akory dia voasambotra ary niharan’ny daroka isan-karazany izay nitarika avy hatrany ny fahafatesany, teo an-toerana ihany. Ny faharoa kosa nifanenjehana nandritra ny fotoana elaela saingy tratra ihany. Io indray dia notapahina tanteraka ny tongony roa ary ahiana koa ny ainy amin’izao fotoana noho ny haverezan-drà be loatra tamin’ny vatany. Isan’ny tena nandresy lahatra ny olona fa mpangalatra ireo voasambotra ireo, dia ny fisian’ny bala miisa telo izay tratra teny aminy. Ankoatr’izay dia mbola nisy basy poleta PA ihany koa. Vonona ny hamono anay ireo, hoy ny olona ka aleo ny anay no tonga aloha. Mateti-pitranga loatra ny fitsaram-bahoaka eto amin’ny firenena malagasy na dia fantatry ny olona aza fa raràn’ny lalàna manan-kery izany. Sahirana rahateo koa ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny baiko omena azy ireo hanokatra fanadihadiana momba ireny raharaha ireny. Ny antony dia satria matetika fokonolona iray tanàna no indray nandray anjara. Ankehitriny aza dia sahin’ny olona hatramin’ny mandeha eny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana izay hitazomana ny jiolahy ary angatahin’izy ireo ny hamoahana ny olona tazomina mba hamonoana azy avy hatrany. Miverin-dàlana ve isika amin’ny tany tan-dalàna sy ny fanajàna ny zon’olombelona.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici