- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Olona telo, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Fianarantsoa : Olona telo, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ahiahy nandatsahana ain’olona ! Zava-niseho tany amin’ny tananan’i Lalazana, any amin’iny distrikan’i Vohibato, Fianarantsoa iny ny sabotsy lasa teo. Niahiahy tamin’ny fisian’ity fiara tsy mataho-dalana tsy fantam-piaviana niroso tanaty tanàna ity ireo mponina ka avy hatrany dia nandray fepetra. Niely rahateo ny feo fa hoe « mpangalatr’olona » ka vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ireo mponina ary nanaovan’izy ireo angaredona avy hatrany tamin’ireo olona tao anaty fiara.

Raha ny angom-baovao azo dia teo amin’ny dimy teo no anatin’ilay fiara tsy mataho-dalàna. Handeha hihazo an’i Lalazana izy ireo tamin’io fotoana io ary resaka vato no anton-dia. Efa alinalina ihany vao nahatazana ny tanàna. Kilaometatra vitsy tsy hiditra an’izany toerana izany ireto farany  no nobahanana andian’olona  maromaro, izay fantatra fa fokonolona avy eo an-toerana. Nivoaka ny fiara izy ireo ary nanazava ny anton-dia saingy toa efa romotra ireto olona niantefan’ny fanazavana ka vely kibay sy daroka isan-karazany no setriny. Nopotehin’ireto farany ihany koa ilay fiara. Telo lahy no voa mafy ary noho ny ratra nahazo azy ireo dia namoy ny ainy teo no ho eo. Misy iray koa manaraka fitsaboana any amin’ny hôpitaly ary iray notazomin’ny mpitandro filaminana. Ireo zandary tany an-toerana moa, raha vao nahare ny tranga dia nidina avy hatrany tany an-toerana. Niezaka nifampiresaka sy nifandamina tamin’ireo mponina. Namonjy ilay naratra ary nitondra ny vatana mangatsiakan’ireo anankitelo ary niambina an’ilay iray tsy naninona. Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, izay efa eny am-pelatanan’ireo manam-pahefana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici