- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Toaka gasy 2653 litatra sy rongony 20 kg sarona

Fianarantsoa : Toaka gasy 2653 litatra sy rongony 20 kg sarona

Omaly no notontosaina ny fandorana ireo zava-mahadomelina saron’ny zandary tamin’iny lalam-pirenena faha-25, mampitohy an’i Ranomafana sy Irondro iny tao Tsaramandroso Fianarantsoa. Zava-mahadomelina izay nahitàna toaka gasy 2653 litatra sy ny rongony milanja 20 kilao. Araka ny fanazavàna azo dia vokatra azo, nandritry ny fisavàna teny amin’ity lalam-pirenena ity nandritry ny volana vitsivitsy izay.  « 1075 litatra amin’io dia fitambaran’ny toaka tratra nandritra ny volana aprily ka hatramin’ny aogositra 2019, ny 1578 lilatra kosa tratra nanomboka ny 15 ka hatramin’ny 22 septambra 2019 », raha ny mikasika ilay toaka voarara. Fantatra fa efa nisy olona valo no voarohirohy tamin’ny fitondràna azy ireo, raha ny fanazavàna azo hatrany ary efa samy namita ny saziny avokoa izy : « ny fandoavana ny lamandy tany amin’ny ivotoeran-ketra « centre fiscal » izany ». Raha ny mikasika ilay zava-mahadomelina mahery vaika kosa dia tra-tehaka nandritry ny fisafoana nataon’ireo zandary, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny izy io, tao amin’ny tananan’Ambalalova Iaritsena, ao amin’ny distrika Ambalavao, ny tapatapaky ny volana aogositra lasa teo. Voalaza fa olona roa no voasambotra, voarohirohy tamin’ny fitondràna ireto rongony ireto. Efa samy natolotra ny fitsaràna avokoa moa izy ireo ary nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Araka ny lalàna manan-kery eto amintsika dia tsy maintsy dorana sy potehina eo anatrehan’ny manampahefana isan-tsokajiny avy ireto zava-mahadomelina tratra ireto, ary io notanterahana omaly io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici