Fotoambavaka lehibe tao amin’ny Tranovato Fitiavana Anjoma ny famaranana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny Radio Fahazavana, 2007 – 2022, Toamasina araka ny tapaka ireo komity mpanomana efa ho herintaona nijoroana izao. Nisy koa ny fitokanana ny tsangambaton’ny fakalazana nandritra dia ny fahavitany trano fiasan’ny mpiasa sy fahazoana ireo entana vaovao izay efa fanambin’ny komity natsangana. Isan’ny nasiana fanatsarana tamin’izany ny studio sy ny efitrano samy hafa, teo koa ny fahazoana « émetteur » vaovao hanoloana ilay efa simba teo aloha. Nitokana izany ny solontena ny foibe FJKM sy ny mpisahana ny synodam-paritany ary ireo mpitandrina marobe misy eto Toamasina. Nambaran’ireo nandray fitenana rehetra fa « ny manana sy ny tsy manaja mitovy ihany », ka tokony hajaina toy ny hanaka andriamaso ireo fitaovana vaovao vao azo ireto ho voninahitra Andriamanitra izay toriana ao anaty onjam-peo. Nilaza koa ny talen’ny Radio fa tsy manao politika ny onjam-peo fa mamoaka ny vaovao misy kosa saingy tsy maintsy fantenana ihany izany. 15 taona ny radio fahazavana izao ka ny hahatratra ny 15 taona manaraka no tanjona amin’ny ezaka samy hafa.
Malala Didier