Sady ampiasaina amin’ny fiainana andavan’andro ny fiara no ampanofaina rehefa misy mila. Ny zoma teo dia nisy niantso ary raikitra fa hitondra ireo mpanofa eny Ambatomanga ilay Starex. Nalaina teo Tanjombato ny olona izay tsy fantatra ary dia roso ny dia. Nantsoin’ny tompon’ny fiara ny mpamily ny hariva, tsy nety azo. Ny maraina raha saika hitady azy any an-tranony no indro izy nitsirara ary tsy nahatsiaro tena teo anelakelan-trano mizotra any amin’ny fonenany. Naiditra hopitaly mba hanavotana ny ainy. Efa mandeha ny fanadihadian’ny “brigade criminelle” momba ity raharaha ity. Ny fianakaviana kosa dia manainga izay mety ho manam-baovao mba tsy hisalasala hampandre azy ireo. Ny fiara : starex miloko volon-davenona, 0934 TCC. Ho an’izay mahita azy, ny antsoina : 0340982356/0324040913. Mila mailo araka izany ny mpampanofa fiara ankehitriny manoloana ny halatra toy izao izay mety hiafara amin’ny fahafatesana. Ny farafahakeliny dia ny fanasiana fifanarahana an-tsoratra misy adiresy sy laharana an-telefaonina.
D.R




