- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiara mpitondra « colis » namono olona : Nadoboka am-ponja avy hatrany...

Fiara mpitondra « colis » namono olona : Nadoboka am-ponja avy hatrany ilay mpamily

Omaly no natolotra teo anivon’ny Fampanoavana ilay mpamily fiara, izay nandona sy nahafaty olona ary nanimba barazin’ny mpitandro filaminana tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Mazava ho azy fa teo anatrehan’ireo fandikan-dalàna maromaro nataony dia tsy nisalasala ireo mpitsara mpanao famotorana nandefa azy avy hatrany am-ponja, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Raha tsiahivina tokoa dia ramatoa 35 taona no namoy ny ainy, rehefa voafaokan’ny fiara mpitondra « colis » an’ny orinasa mpitatitra iray izy sy ny fianakaviany, raha iny handeha hiasa tany vao maraina iny. Efatra izy ireo no indray voafaokan’ity fiara ity ny alarobia maraina teo, teny amin’ny toerana antsoina hoe Volavia, Manjakandriana. Nirimorimo avy any Atsinanana any, hihazo an’Antananarivo ity fiara ity tamin’izany, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina. Tsy nijanona akory anefa izy io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza io fa vao mainka nitsoaka. Noezahin’ireo zandary najanona teo amin’ny barazy teo Carion, saingy nanao amboletra nitsoaka ihany ilay fiara. Rehefa nisy ny fifanenjehana dia tratra teny Ambohimalaza izany fiara namoa-doza izany. Nosamborina teo no ho eo avy hatrany ny mpamily ary nentina notazomina natao andrimaso ho an’ny famotorana. Izy nampiakarina teny anivon’ny Fampanoavana omaly io ary niafara tany am-ponja.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici