- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversTalata volonondry : Fiara mpitondra marary nofahon’ny Taxibe, roa naratra mafy

Talata volonondry : Fiara mpitondra marary nofahon’ny Taxibe, roa naratra mafy

Ilay fiara nivarina tany amin’ny RN12.

Efa tena tsy misy frany tato ho ato ireo tsy fanajana ny lalanan’ny fifamovoizana ataon’ireo mpitondra fiara raha ity tranga iray ity no jerena. Olona roa, lehilahy 52 taona sy vehivavy 29 taona, no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamovoizana ny alin’ny zoma 19 jolay  tokony ho tamin’ny 8ora sy 15 minitra, teny amin’iny lalam-pirenena faha-3 (RN3) iny vokatry ny fifandonana teo amin’ny fiara roa izay mpitondra marary ny iray. Teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Antanambao, eo anelanelan’I Tatata volonondry sy Sabotsy namehana, izay eo amin’ny 16 kilometatra miala an’Antananarivo raha hihazo an’Anjozorobe. Fiara iray mpitondra marary avy any Anjozorobe no nofahon’ny taxibe Sprinter raha  izy handeha hiakatra aty Antananarivo iny. Mafy ny fifandonana izay nahapotika ny ilan’ilay fiara mpitondra marary izay fantatra fa fanan’ny CSB2 Ankazobe ka nandr&atra ireo olona roa tao anatiny. Rehafa natao moa ny fizahana ny zava-nitranga dia hitan’ireo mpitandro ny filaminana fa nandray zava-pisotro misy alikaola ilay mpamily Sprinter a izay no nahatonga ny loza. Noho izany dia nohazonina ambalam-pamojana avy hatrany ilay fiara ary notanana tany amin’ny tobin’ny zandary ny mpamily hanaovana famontorana mandram-panolorana azy ny Fitsarana.

Olana tekinika. Ity tranga niseho tetsy Tsiadana ity indray dia mbola maneho ny tsy firahirahiana ataon’ireo mpitondra fiara hatrany. Fiara ao amin’ny zotra 119 mampitohy an’Ankatso sy 67ha no tapaka hisatra raha hihazo ny lalana mahazatra azy isan’andro ny alahady lasa teo. Tsy nisy aina nafoy, tsy dia nisy koa ny naratra, fa nikorisa tsy hay notohaina ity fiara sprinter ity, rehefa tsy voafehin’ny mpamily azy intsony. Niezaka ihany izy ny handona andrin-jiron’ny Jirama teo amin’ny sisin-dalàna saingy tsy vitany izany fa nivily tany amin’ny ilany amin’ny zotra miakatra tampoka hifanena aminy. Vokany fiara tsy mataho-dalana miisa roa avy hatrany no voafaokany, izay samy potika tanteraka. Izao seho izao dia tokony hanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra voakasika ny amin’ny liana ny fikojakojana sy ny fanaraha-maso ireo fiara ampiasaina amin’ny fitanteram-bahoaka eto andrenivohitra.

Torimaso. Olona iray (01) no maty, telo (03) naratra mafy, vokatry ny Lozam-pifamoivoizana, fiarakodia nitondra ireo mpampianatra 31 mianadahy ao amin’ny  » Lycée Privé Saint Vincent de Paul » Farafangana, raha niverina avy tany Toliara izy ireo avy nanao fitsangatsanganana, fialan-tsasatra, ary fifanakalozana traikefa tamin’ireo samy mpanabe. Tao amin’ny kaominina Amporoforo, Fokontanin’i Tsoroboy amin’ny lalam-pirenena faha 12 (RN12) iny, 31 km hiditra an’i Farafangana no nitranga ny loza rehefa resin-tory ny mpamily ka nitarika ny fivarinan’ny fiara nentiny. . Nitsoaka niala tao anatin’ny fiara saika hanavotra ny ainy i Tompokolahy Kopile Pierre. Idrisy anefa fa tany amin’ny ilany nisy azy no nivadihan’ny fiara ka voatsindry tao ambany izy, ka maty tsy tratra intsony ny ainy, namela kamboty valo (08) mianadahy. Izy izay mpampianatra Filozofia.

Nangonin’I T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici