- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiara nahafaty zaza tetsy Tsarasaotra : Voasambotra ny mpamily, natao omaly ny...

Fiara nahafaty zaza tetsy Tsarasaotra : Voasambotra ny mpamily, natao omaly ny famerenana

Misy vidiny tokoa ny ain’olombelona sy ny rà nalatsaka. Hita ilay fiara nandona ireo zaza mirahalahy kely ka nahafaty ny iray tamin’izy ireo, tetsy Tsarasaotra. Tsy Golf araka ny famaritan’ny vavolombelona ny marik’ilay fiara fa Polo. Na izany aza, nitombina tanteraka ny hoe miloko mena ilay fiara. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nosokafan’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ny fanadihadiana. Rangahy manodidina ny 40 taona no voarohirohy ho tompon’antoka ary efa voatazona etsy amin’ny biraon’ny polisy etsy Tsaralalàna. Na izany aza mbola tsy nilaza zavatra betsaka ny tompon’andraikitra amin’ny fanadihadiana mba ho fanajàna ny tsiambarateon’ny famotorana. Natao omaly tetsy amin’ny toerana nitrangàn’ny loza ny famerenana ny zava-nisy iny andron’ny alarobia lasa teo iny. Raha tsiahivina fohy dia mpirahalahy, mbola mpianatra, sivy sy fito taona, no indray nodomin’ny fiara kely miloko mena izay tsy nijanona fa nitsoaka taorian’ny lozam-pifamoivoizana. Namoy ny ainy ilay zokiny raha tapa-tongotra kosa ny zandriny. Ontsa tanteraka ny rainy tamin’ny zava-nitranga ary efa nilaza mialoha fa tsy vitan’ny resa-bola ny ain-janany izay maty sy naratra. Arahina hatrany ny fivoaran’ny raharaha izay tena naha-ontsa an’andrenivohitra iray manontolo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici