- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFiara natelin’ny rano - RN2 : Omaly vao hita avokoa ireo razana

Fiara natelin’ny rano – RN2 : Omaly vao hita avokoa ireo razana

Afakomaly ny iray no natsingevan’ny rano. Tsy iza izany fa ilay vehivavy malagasy mpandika teny. Omaly maraina kosa ireo roa ambiny, isan’izany ny vehivavy teratany Egyptiana iray. Dimy andro taty aoriana izany vao hita avokoa ireo olona nalentiky ny rano niaraka tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana izay nitondra azy ireo. Nilatsaka teo amin’ny reniranon’Androngaronga ilay fiara fotsy mitondra ny marika Saangyong raha nihazo ny lalam-pirenena faharoa. Koa satria namoy ny ainy avokoa ny olona rehetra tao anatiny dia sarotra ny mamantatra izay tena zava-nitranga hatreto na dia nisy aza ny fanadihadiana nosokafana. Nangalàna ireny antsoina hoe zana-drano ireny. Nafarana avy any Toamasina io olona io ary nanao ny fombafomba nentim-paharazana. Asa na misy ifandraisany amin’izay no nahitàna ireo olona dimy andro taty aorian’ny nilatsahan’ny fiara tao Androngaronga. Efa maro ny loza nitranga tao amin’io renirano io raha ny fanazavan’ny olona monina eo amin’ny manodidina. Isan’izany ny fisian’ny kamiao nitondra entana izay latsaka ao ary tsy hita hatramin’izao. Mbola mampitebiteby hatrany ny mandeha amin’ny RN2. Ankoatra izay mety ho lozam-pifampivoizana noho ny haratsian’ny làlana na koa tsy fitandreman’ny mpamily sasany, ny renirano izay manamorona koa izany dia mety ho loza tanteraka raha sanatria tafavoaka kely ny làlana ka mivarina any.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici