Ankizilahy kely iray sy tovovavy iray no namoy ny ainy. Olona telo hafa naratra mafy tsy nahatsiaro tena. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana omaly hariva, tetsy Alarobia Ivandry. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka mantsy ity zava-nitranga ity.
Nandriaka indray ny rà, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any, teny ambony kelin’ny tokontany fanaovana tenisy tetsy Alarobia, ampitan’ny kianja. Be olona nifamezivezy teny amin’iny faritra iny, eny fa na dia alahady aza ny andro, noho ny firavàn’ny fampisehoana tao Antsojombe. Tamin’io fotoana io indrindra anefa, no nisy fiara kely iray marika « Mini Cooper », nirimorimo niakatra iny lalana iny, avy any Ankorondrano any. Raha ny filazan’ireo mponina nanatri-maso ny zava-nisy, dia toa nifanenjika tamina fiara marika « Hyundai » izy io. Teo amin’ny fiolahana teo amin’io toerana io anefa dia tsy nahatàna ny familiana intsony ilay fiara kely, noho ny fandehanany mafy ka dia nifaoka ireto fianakaviana kely vao avy nifalifaly nijery fampisehoana, ary namarana ny diany teny amina andrin-jiro iray teny an-toerana. Mafy dia mafy ny dona nahazo ireto olona ireto. Tovovavy iray no maty tsy tra-drano, olona efatra hafa kosa no naratra mafy, samy tsy nisy nahatsiaro tena. Tao anatin’ireo no nisy ankizilahy kely iray izay tena voa mafy tokoa, tapaka ny tànany. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly ireto naratra. Indrisy anefa fa tsy tana intsony noho ny ratra nahazo azy ilay ankizikely. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny pôlisin’ny boriborintany fahavalo, narahin’ireo pôlisy avy amin’ny hery vonjy taitra (UIR) ary fotoana vitsivitsy taty aoriana, nisy ireo zandary avy amin’ny Emmo.
Fitsaram-bahoaka. « Mamo ilay mpamily ary mbola nanao vava tsy ambina tamin’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana tampoka » hoy ny filazan’ireo mponina. Izay zavatra izay no tsy laitran’ireo olona teny an-toerana ka saika niitaran’ny raharaha. Efa vonona ny handoro ilay fiara ary hamono ireo nahavanon-doza ireo mponina teny an-toerana, izay efa niakatra hatezerana. Niafara tamin’ny fanakanana ny fiaran’ny kaomisaria, nitondra ireo olona roa tao anatin’ilay « mini cooper », mihitsy moa izany. Teo no voatery niantso fanampiana ireo pôlisin’ny kaomisaria. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy fanampiny ary voatery nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ho fanaparitahana ireo olona. Ireo pôlisy avy ao amin’ny hery vonjy taitra avy eo no nitondra ireo olona nahavanon-doza nivoaka ireo andian’olona vonton-katezerana. Fantatra fa avy hatrany dia namantana teny amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna izy ireo. Minitra vitsy taorian’izay dia tonga nanampy iretsy namany pôlisy ihany koa, ry zareo zandary avy amin’ny kaompania Tana Ville. Nilamina ihany ny teny an-toerana taorian’izay, eny fa na dia nisy ihany aza ny fimenomenonana teo amin’ireo fokonolona. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo pôlisy tonga voalohany sy nanao ny fanadihadiana ifotony teny an-toerana, dia fantatra tokoa fa nandray zava-pisotro ary tena mamo ireo olona roa, ny mpamily sy ny mpandeha tao anatin’ilay fiara « mini cooper » nahavanon-doza. Avy nijery « rallye » izy ireo, raha ny vaovao hatrany ary mety ho nampihatra izany teny an-dalana, tamin’ny alalan’ny fifanenjahana tamin’ilay fiara « hyundai starex ». Ka dia izao niafara tamin’ny loza mahatsiravina izao. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana hatrany, dia zanak’olona ambony, monina ao Ambohijatovo Ivandry ireo nahafaty olona ireto. Fianakaviana mipetraka eo Alarobia kosa ireo niharan-doza. Ny pôlisy misahana ny fifamoivoizana etsy Tsaralalàna moa no mandray an-tànana ny raharaha.
m.L