Mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Andaniny, mitombo isan’andro ny fiara nohafarana tonga. Ankilany, mivadika mitondra kodiaran-droa ny mpitondra fiara satria tsy misy fika intsony raha hamonjy birao isan’andro. Dikan’izay mitombo koa ny tolotra sy tinady momba ny moto. Sempotra tanteraka ny làlana ary lasa miteraka sorisory eo amin’ny roa tonta. Mifanasa vangy hatrany ny mpamily fiara sy ny mpitondra moto. Indrindra koa tsy maintsy misy lozam-pifamoivoizana hatrany isan’andro ateraky ny roa tonta. Eo amin’ny tambajotra dia lasa andavanandrom-piainana ny fahitàna sarin’ny fiara na moto mifanditra. Tsy tampenana intsony na ny laharan’ny fiara ary torak’izany koa, alefa ny sarin’ny mpitondra moto. Mifanala baraka isan’andro eo. Lasa olana ara-piaraha-monina lehibe kanefa tsy misy vahaolana maika. Eny amin’ny mpitandro ny filaminana dia lasa tohivakana ny fitoriana mikasika fifandonana ary indraindray miampy fifampikasihan-tànana. Maro no mahita fa mila fampianarana goavana ireo mpampiasa làlana. Izay aloha no azo atao mba hampihenana ny lozam-pifamoivoizana. Betsaka loatra ny tsy manana “permis” kanefa mampiasa kodiaran-droa. Ny adolantsento izay tia setrasetra manginy fotsiny. Eo koa anefa ireo fiara izay tsy manaja ny lalànan’ny fifamoivoizana hany ka na mba misy mitandrina ihany aza ny moto dia mbola mitera-doza hatrany. Betsaka ny nitondra takaitra ary hatreto dia tsy mbola misy ny fandaminana manokana na fepetra noraisina. Samy mizaka ny vokany izany izay voa…
D.R




