Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny faritra Vakinankaratra ireo delegasiona 7 mianadahy avy any Indonezia, hiasa eto amin’ny faritra. Nandray azy ireo ny lehiben’ny faritra, Ny Jeneraly William Rakotonarivo, ny datin’ny 9 oktobra lasa teo. Nambaran’ity farany fa toerana tena midadasika ny faritra Vakinankaratra sady be mponina, satria manodidina ny 3 tapitra eo ny mponina. Ankoatra izay dia 85 % amin’ny mponina dia mpamboly sy mpiompy avokoa. Mazava ho azy noho izany fa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana no hiasan’ireto delegasiona avy ao Indonezia ireto. Araka ny fantatra dia ny fambolena mangahazo any amin’ny tapany andrefana, ny legioma any amin’ny faritra atsinanana ary paoma any amin’ny tapany atsimo no toerana hiasan’izy ireo. Fiaraha-miasa amin’ny lafiny fambolena no tena himasoan’ireo delegasiona. Hery lehibe ho an’ny faritra rahateo izany amin’ny lafiny fampandrosoana, hoy hatrany ny lehiben’ny faritra eto Vakinankaratra.
Andry N.