- Publicité SW45 -
samedi, novembre 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiaramanidina nianjera : Tsy hita ny kodiarana, nanokafana fanadihadiana

Fiaramanidina nianjera : Tsy hita ny kodiarana, nanokafana fanadihadiana

Niteraka resa-be tamin’ny tambajotra sosialy ny fanazavan’ny olona sasany momba ny tsy fahitàna ny kodiaran’ilay fiaramanidina teo akaikin’Andilanatoby. Ho an’ny maro dia nisy nanararaotra ilay fianjerana na koa nanararao-paty ara-bakiteny ka nangalatra izany. Ankoatra izay rahateo dia mbola nisy zavatra hafa tsy hita, toy ny kitapon’ilay mpanamory. Raha nanontaniana ny zandary dia nanamarina fa tsy nisy kodiarana intsony tokoa ny fiaramanidina. Na izany aza tsy afaka ny nilaza avy hatrany izy ireo na halatra na tsia. « Tsy mbola fantatra hoe nisy naka marina ny kodiarana satria fianjeram-piaramanidina no zava-nisy, ary indrindra koa eo amin’ny tampon-tanety. Tamin’ny fotoana nahitana ilay fiaramanidina dia tsikaritra fa efa tsy teo intsony ny kodiarana », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Vohidiala. « Na izany aza dia efa nisy fisafoana natao teo amin’ny manodidina. Efa nisy koa ny fahatongavan’ny manampahaizana amin’ny fanadihadiana momba ny fianjeràn’ny fiaramanidina ary manao ny asany koa izy ireo. Hatreto dia tsy mbola afaka milaza mihitsy na nisy naka tokoa ireo kodiarana na koa nipitika lavitra. Ny azo lazaina dia mafy ny fidonan’ilay fiaramanidina tamin’ny tany ary iny niteraka iny fahavoazana sy nahafaty olona iny. Ny zandary dia eo am-panaovana fanadihadiana mifanandrify aminy momba iny tranga nampalahelo iny », raha araka ny fanazavana hatrany. Etsy andanin’izany, mbola betsaka ny fanontaniana napetraky ny maro mahakasika iny lozam-pifamoivoizana an-habakabaka iny. Isan’izany ny hoe iza no mbola namela ny fiaramanidina nandeha kanefa ao anatin’ny andro ratsy? Indrindra koa any amin’ny faritra nandalovan’izany no saika handehanan’ilay fiaramanidina kely. Niala teto an-drenivohitra ary ho any Mananara, raha tsiahivina kely ny anton-dia. Voamarika koa fa sidina voalohany nandehanany irery iny sidina nitera-doza iny. Tsy nisy nanaraka ilay mpianatra ho mpanamory fiaramanidina. Efa nisokatra ny fanadihadiana. Asa anefa raha hokobonina toy ny mahazatra indray ny vokany.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici