Tamin’ny 11 ora teo ho eo no nirefotra voalohany ny baomba mandatsa-dranomaso teny Ambohidahy omaly, nandritra ny fidinan’ireo fiarahan’ny kandida sy ny mpomba azy. Ireto farany izay efa nilaza fa midina an-dalambe eny amin’ny 13 mey. Ny mpitandro filaminana andaniny, efa nivonona tamin’ny fitsenana azy ireo, ary mazava ho azy ny hanaparitaka avy hatrany rehefa tsy azo ravana moramora. Nanomboka teo, nisesisesy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso sy ny fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nisy naratra avy hatrany ny teo anivon’ireto farany. Anisan’izany ny kandida Andry Raobelina, Rivo Rakotovao ary senatera MMM avy eto Antananarivo. Niparitaka ary nandeha tamin’ny lalana izay mety hahatongavana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ireo mpanao fihetsiketsehana. Nisy ihany koa anefa ireo mpitandro filaminana naratra, izay voatoraka ireo, raha ny fanazavana. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo naratra rehetra Voasambotra Rina R sy ny mpiambina ny Filoha Ravalomanana. Nitohy ny fandravana ireo mpanao fihetsiketsehana, hatreny Andohan’Analakely sy Ambohijatovo. Voasambotra teo Andohan’Analakely ny sekretera jeneraly ny antoko TIM. Nentin’ny zandary eny Fiadanana avya hatrany. Tsy ela taoroan’izay, voasambotra ihany koa ny mpiambina ny Filoha Ravalomanana, teo Ambohijatovo. Tsy nisy aloha ireo olon-tsotra voasambotra. Nisy fahasimbana fananana ho an’ireo kandida, toy ny kodiarana fiara sns. Tsy nisy kosa ny fahasimbana fananam-bahoaka raha ny omaly aloha. Azo lazaina fa voafehy tanteraka ny filaminana omaly, tsy nisy ny fihoaram-pefy be loatra. Mety hitohy androany ny fidinana an-dalambe ?
Yv Sam