- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversFierenana : Mihinana olona ny dahalo

Fierenana : Mihinana olona ny dahalo

Ahitana trangam-panafihana isaky ny alina ao amin’ny kaominina Fierenana, nanomboka tamin’ny alakamisy 11 may 2017 ka hatramin’izao. Omby aman-jatony no efa lasan’ireo dahalo mirongo fiadiana. Olona 11 no efa noratrain’ireo dahalo ireo izay tetehiny avokoa ny nofo eo amin’ny vatan’ireo mifanehitra aminy dia atonony dia haniny avy hatrany. Etsy ankilany tsy misy tafajanona ao an-tanàna ireo vehivavy fa mila ary lasa mamonjy fianakaviana any amin’ny faritra hafa. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakàna ny ben’ny tanàna any an-toerana, satria miraviravy tanana tanteraka ny mponina no sady miafara amin’ny tsy fifampitokisana intsony. Ny andron’ny alakamisy 18 may 2017 dia nanao fotoam-bavaka ireo mpitondra fivavahana ao an-toerana satria nahitana trangan’aretina ambalavelona ka ankizy manodidina ny 12 taona no nohetsehan’aretina izay fito mianadahy izy ireo ; efa nisy ny maty tamin’ireo zaza ireo . Mangataka mafy amin’ny fitondrana foibe ny ben’ny tanàna Razafimanjato Richard tamin’ny firesahany tamin’ny mpanao gazety, ny amin’ny tokony hametrahana poste avancé ny zandary ao an-toerana sy ny fanamboarana haingana ny lalana mihazo an’Amboasary gara mankany Fierenana, satria sarotra ny fomba hiantsoana mpitandro filaminana satria tsy tongan’ny fiara. Miahiahy mafy ity olom-boafidy any an-toerana ity ny amin’ny hoavin’ireo zaza mbola mianatra

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici