- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFifamoivoizana Toamasina renivohitra : Mikorontana tanteraka, tsy voahaja ny lalàna manan-kery

Fifamoivoizana Toamasina renivohitra : Mikorontana tanteraka, tsy voahaja ny lalàna manan-kery

Tsy misy fanatanterahana ny fanapahana noraisin’ireo mpanolontsainan’ny Tanàna hatramin’izay eto Toamasina renivohitra. Misaritaka tanteraka ny lalàn’ny fifamoivoizana, tsy misy ny fampiharana ny lalàna sy ireo fepetra tapaka ao anatin’izany.

Raha ho an’ny Tuc-Tuc dia tsy vitsy ireo tsy manana laharana akory dia efa miasa manao fitaterana, ka aleon’izy ireo manome vola ny mpitandro ny filaminana isaky voasava toy izay handoha saran’ny fahazoan-dalana mitentina 160.000 ariary eny amin’ny kaominina. Misy koa ireo Tuc-Tuc tsy ara-dalana ireo miasa amin’ny lalan-dratsy sy manao taingim-be satria tsy misy ny mpitandro ny filaminana manakana azy ireo. Na eo aza izany dia namoaka fanapahana ny filan-kevitry ny Tanàna fa tsy maintsy arahi-maso ireo Tuc-Tuc tsy misy laharana ara-dalana ireo, fa mifandray amin’ny jiolahy amin’ny asa ratsiny.

Ankilan’izany eo amin’ny mpitondra posy bisikileta dia efa hatramin’ny fitondran’ny ben’ny Tanàna teo aloha, ny Dr Rakotomanana Gervais, nisy ny fepetra noraisina fa tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana amin’ny kaominina araka ny fanapahan’ny filan-kevitry ny Tanàna vao afaka mitondra posy ny olona iray. Niferana tamin’izany fa tsy tokony hiohatra ny 2.000 ny isan’ny posy afaka miasa eto Toamasina tamin’izany. Nohamafisin’ny mpanolontsain’ny Tanàna sy ny neken’ny prefektiora ny taona 2020, fa tsy ekena intsony ny fanaovana posy bisikileta vaovao ary maha-voasazy ny fanaovana izany eto Toamasina.

Ankoatra izany anefa dia loza hatrany isan’andro no ateraka ireo fitanteraka ireo amin’izao noho ny fikorontanan’ny fifamoivoizana, ka voatery ny mpanjifa no miharitra izany amin’ny fahavoazana. Nijanona hatramin’ny zotra na “Bus” sy ny fiarakaretsaka vokatra ireo fitaterana manakorontana ny fifamoivoizana eto Toamasina ireo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici