- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFifandonana tamin’ny dahalo tao Amboasary Atsimo : Zandary iray no maty voatifitra,...

Fifandonana tamin’ny dahalo tao Amboasary Atsimo : Zandary iray no maty voatifitra, olon-dratsy dimy lavo

Nitrangana fifanandrinana mahery vaika indray, tany amin’iny distrikan’Amboasary Atsimo iny, ny sabotsy maraina, teo amin’ireo dahalo izay avy nangalatr’omby sy ny zandary tany an-toerana. Vokany, zandary mpiana-draharaha iray avy ao amin’ny Csao (Centre spécial d’aguerrissement opérationnel) Maromby no lavo an-tanim-piadiana. Ho setrin’izay kosa anefa, nisy dimy tamin’ireo malaso no tsy afa-manao intsony ny asa ratsiny.

Tokony ho tamin’ny  tolakandro tany ho any no niseho ity fifandonana ity, tao Antanileha, fokontany Babaria, ao amin’ny kaominina Mahaly, distrikan’ Amboasary Atsimo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nitranga fanafihan-dahalo tao Andabolava ao amin’io kaominina voalaza anarana etsy ambony io, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy. Taorian’io, rehefa nampandrenesina sy nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mahaly, dia raikitra ny fanarahan-dia nampian’ireo fokonolona tao an-toerana. Nifanehitra tao amin’io tanànan’Antanileha io ireo mpanenjika sy ireo dahalo am-polony maro nitondra ny omby nitsoaka. Ireto farany moa raha vao nahatazana fotsiny ireo mpanara-dia ,avy hatrany dia nanao tifitra variraraka. Tamin’izay indrindra no niantefan’ny bala ilay zandary mpiana-draharaha antsoina hoe Namboary Afront ary maty tsy tra-drano. Teo anatrehan’ny zava-nisy, voatery niaro tena tamin’ny alàlan’ny tifitra ihany koa ireto zandary mpanara-dia ireto. Fantatra tamin’izany, fa nisy dimy tamin’ireo andian-dahalo ireto no maty ary maromaro ireo naratra, saingy nentin’ny namany nandositra. Votsotra teny am-pelan-tanan’izy ireo araka izany ny omby nangalariny. Raha ny vaovao azo, dia mbola mitohy ny hazalambo hikarohana ireo nahavanon-doza, nahafaty ity mpitandro filaminana ity any an-toerana, ary « tsy maintsy ho tratra izy ireo » hoy ny fanazavana azo. Nampiana isa sy fitaovana avy hatrany moa ireto zandary ireto hanatanterahana izany fanarahan-dia sy fikarohana ireo dahalo sisa tafatsoaka ireo. Marihana, hoy hatrany ny loharanom-baovao azo, fa tsy nisy naninona akory ireo fokonolona niaraka tamin’ireto farany tao anatin’izany fifandonana izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici