vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversFifidianana SMM : "Tsy mitombina mihitsy ny hala-bato", hoy i Faniry Ernaivo

Fifidianana SMM : « Tsy mitombina mihitsy ny hala-bato », hoy i Faniry Ernaivo

Tsy nampoizina mihitsy ny fiakaran’ny kandidà mpifanandrina tamin’i Faniry Ernaivo tamin’ny radio ary nanazavany, fa izy no mitarika vonjimaika tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM). Nohazavain’i Faniry Ernaivo fa ny alin’ny fifidianana ihany dia fantatra ny valim-pifidianana manerana ny Nosy. « Arak’ireny efa nampitaina ireny dia azoko ny fandresena ary efa voaporofon’ny delegen’ny fifidianana isaky ny birao nanatontosana an’izany ny vaovao. Raha ny mahakasika indray ny mety ho fanahiana ny nisian’ny hala-bato, tsy mitombina mihitsy izany. Ny antony dia miara-manisa izany ny vadintany, ny delege ary izany rehetra izany dia eo ambany mason’ny tonian’ny fampanoavana isaky ny toerana nisian’ny fifidianana. Rediredy ny mety ho filazana fa nisy ny hala-bato » raha ny fanazavany. Notohizany fa nandresy izy tamin’ny biraom-pifidianana 35 amin’ny efapolo ary ireny efa nampitaina ireny ny vokatra. « Efa an-dàlana avokoa ny fitànana an-tsoratra ny voka-pifidianana (PV matériels) ary hoporofon’izany ny fandreseko. Aoka handala hatrany ny fenitra demokratika, satria tokony ho isika mpitsara no ho fitaratr’izany » raha ny fanamarihany hatrany.
D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici