- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFIGN – Fort-Duchesne : Zandary mpitaingin-tsoavaly 30 nahavita fiofanana

FIGN – Fort-Duchesne : Zandary mpitaingin-tsoavaly 30 nahavita fiofanana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo zandary mpitaingin-tsoavaly avy ao amin’ny andian’ny fahasivy “cs1-cs2 Equitation”, nahavita fiofanana tao amin’ny hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena, tao amin’ny “Escadron Mixte”. Nisalotra ny anarana “Tafa” ireto farany, rehefa avy namita izay fiofanana izay nandritra ny efa-bolana tao an-toerana. Marihina fa amin’izy 30 indray mihira ireto dia telo tamin’ireto zandary ireto no vehivavy. Tanjona tamin’ity fiofanana ity, hoy ny fanazavana azo, ny hahatonga ireo zandary ho matihanina amin’ny sehatry ny fitananana ny soavaly sy ny manodidina azy. Marihina fa azo ampiasaina amin’ny sehatra maro tokoa ny soavaly, eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, toa ireo fitaovana misy kodiarana ihany. Anisan’izany ny fandraisana olo-manan-kaja isan’ambaratongany fa indrindra fa amin’ny lafiny fametrahana ny lamina ihany rehefa misy korontana na ny “maintien de l’ordre” ary eo amin’ny lafiny fandriam-pahalemana dia ireo karazam-pisafoana isan-karazany sy ny fanenjehana olon-dratsy. Tonga nanome voninahitra ity lanonana ity moa ny Lehiben’ny Etamazaoro eo anivon’ny foibem-pibaikoan’ny zandarimariam-pirenena, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy eo anivon’ny zandary. Nofaranana tamin’ny fampisehoana ireo fahaiza-manao vaovao vao norantovin’ireto mpiofana moa izany lanonana izany teny an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici