Nitrangana fanafihan-dahalo ny tao Ambolotara-Ankazobe, ny faha-5 oktobra lasa teo, talohan’ny sasaky ny alina. Noho ny fiaraha-miasa matotra sy nahomby teo amin’ny fokonolona sy ireo zandary, tamin’ny fanomezam-baovao haingana, dia nandamoka ny tetik’ireo jiolahy. Nampandre ara-potoana ny zandary ny fokonolona tao Ambolotara-Ankazobe, ny alin’ny 5 oktobra lasa teo, fa nisy andian-jiolahy mikasa hanafika ny tanàna. Raha naharay ny antso avy amin’ny fokonolona, dia tsy niandry elo ireo mpitandro ny filaminana, fa avy hatrany dia nametraka ny paikady rehetra sy nidina tany an-toerana. Tampoka ho an’ireo dahalo ny fahatongavan’ireo zandary tany an-toerana, ka raikitra ny fifampitifirana tamin’ny zandary sy ireo dahalo izay efa nanao ny asa ratsiny. Namaly tifitra ireo zandary ireo dahalo sady nanao tari-dositra. Vokany, dahalo efatra no lavon’ny balan’ny zandary ary dahalo iray no naratra, raha iny am-pitsoahana iny. Tsy nisy ny zavatra very. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Fantatra araka ny vaovao voaray tany an-toerana, fa efa nifampitadiavan’ny zandary sy ny fokonolona ireo andian-jiolahy nanafika teo ireo, ka izao tsy nahantontosa ny asa ratsiny izao, noho ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ireo zandary amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, toy ny fanafihana mitam-piadiana, fanakanan-dalana (RN 4), sns. Manome toky hatrany ireo zandary fa tsy mitsahatra ny fanaraha-maso ny fivezevezena amin’ny RN 4 iny ho fitsinjovana ny ain’ireo mpandeha sy ny fananany, fa indrindra amin’izao JMJ Mada izao, ka mangataka ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra.
Anastase