Mba hisorohana ny fihoaram-pefy mety hitranga mandritra ny fihaonan’ny Barea sy ny ekipam-prenena toniziana anio alakamisy any Egypta dia polisy 1350 no hahetsika mba hitandro ny filaminana eto Antananarivo-Rénivohitra sy ny manodidina. Nisongadina izany nandritra ny fanambarana nataon’ny tale jeneralin’ny Polisim-pirenena sy ny talen’ny kabinetran’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka tamin’ny mpanao gazety, omaly. Izany no natao dia mba hialana amin’ny toy izay niseho tamin’ny alahady alina teo, izay nahitana fihetsika nanembatsembana ny fifamoivoizana na dia tsy dia nahitana fanimban-javatra na korontana goavana aza. Hiatrana am-bava-basy, na « consigniés » avokoa ireo polisy eto an-drenivohitra anio alakamisy. Nohararaotin’ny tale jeneralin’ny Polisim-pirenena ihany koa ny andro omaly mba hilazana fa efa eo am-pikarakarana ny fandoavana ny tambin-karama ho an’ireo polisy niasa nandritra iny fetin’ny 26 jona iny. Efa azo ny vola hanaovana izany izay voalaza fa 10 000 alina isam-batan’olona, hoy izy.
T.M.