Amin’ny ankapobeny, voampita ny hafatra ho an’ny mponina Antananarivo raha ny mikasika ny tokony hanajana ny fepetra fihibohana ny andro voalohany omaly. Manamarina izany ny vokatra azo avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Ireto farany izay nanakana tanteraka ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny lalàna tany amin’ireo toerana mafampana sy malaza ho tsy dia mpanara-dalàna ireny. Niditra tany an’elakelantrano rehetra tany ny mpitandro filaminana nanakatona ireo fivarotana sy nandrava tsena rehefa tonga ny ora voatendry hanaovana izany. Teo ihany koa ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny fiara izay nosavaina avokoa izay mbola nandeha teny an-dalam-be teny nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro. Tao anatin’izay no nahitana fa saika nanara-dalàna avokoa ireo ireo taxi na dia nisy ihany aza ireo vitsivitsy tsy nanaraka fepetra. Ny taxibe moa dia tena tsy nisy niasa. Tsara ho marihina fa nandray anjara navitrika tamin’izao fandaminana izao ny avy ao amin’ny Tafika Malagasy izay nanakatona avy hatrany ny ampahan-dalana rehetra miditra aty afovoan-tanàna toy ny teo Antanimena sy Andohan’Analakely ary ny maro hafa tsy voatanisa mba hahamora ny fisavana ireo fiara mivezivezy. Hita nipetraka teny rehetra teny ireo fiara mifono vy ny tafika, miaraka amin’izany dia mbola nisy ihany ny fanentanana na dia teo koa aza ny fanasaziana.
Eo amin’ity farany dia olom-pirenena 78 isa no tsy maintsy notanana ary nampanaovina asa ho amin’ny tombontsoa iombonana (TIG) ny maraina ny omaly. 17 kosa ireo mpivarotra nahazo sazy rehefa nampitandremana saingy mbola tsy nanaraka ny fepetra ihany. Arak’ireo tarehimarika ireo dia hita tokoa fa tena nisy fivoarana ny toetsaina ary efa mahatsapa ny andraikiny amin’ity ady goavana ity ny tsirairay oharina amin’ny tamin’ny herinandro lasa teo. Araka ny tarehimarika avy amin’ny polisy hatrany dia nahatratra 773 ireo olona nampanaovina TIG ary 66 ireo nahiditra « violon » noho ny fandikan-dalana teto Antananarivo nanomboka ny 29 jona ka hatramin’ny sabotsy teo. Manamafy moa ny avy eo anivon’ny mpitandro filaminana fa hitohy ny fandraisana andraikitra ataon’izy ireo saingy mila ezaka avy amin’ny tsirairay izany satria fahavalo iray no iraisana mba hahafahantsika mandresy ilay valan’aretina coronavirus ity.
T.M.