- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFihinanana soka-dranomasina : Olona telo maty, 15 hafa narary

Fihinanana soka-dranomasina : Olona telo maty, 15 hafa narary

Manodidina ny olona niisa 25 teo no nihinana ity soka-dranomasina ity, antsoina hoe « fano » ity tao amin’ny kaominina Annorontsangana, distrika Ambanja, ny alatsinainy lasa teo. Samy voan’ny fahampoizinana ara-tsakafo avokoa izy ireo saingy ny fito ihany no tsy nampiseho trangan’aretina, ny olona 15 dia saika nahiditra hôpitaly avokoa tany an-toerana. Ny telo tamin’ireo moa, izay zazakely vao enin-taona monja ny iray no namoy ny ainy vokatr’izay fihinanana soka-dranomasina izay. Raha vao nahare ny vaovao ireo tompon’andraikitry ny filaminana dia nidina avy hatrany tany an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy, niaraka tamin’ny mpitsabo. Nisy tamin’ireo marary moa no efa naiditra tao amin’ny CSB II tao Anorotsangana ihany, saingy ireo tena voa mafy dia tsy maintsy nalefa haingana tany amin’ny hôpitaly Ambanja. Eo am-panaovana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity moa ireo tompon’andraikitra amin’izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici