- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFihinanana sy fivarotana « héroïne » : Teratany vahiny iray karohin’ny...

Fihinanana sy fivarotana « héroïne » : Teratany vahiny iray karohin’ny polisin’ny « stup »

Niainga tamin’ny fitairanan’ny olona manodidina ny fanadihadianan’ireo mpitandro filaminana. Teny amin’iny faritra Talatamaty iny mantsy dia voalaza fa misy teratany vahiny iray, mandray ireny karazana rongony mahery vaika ireny ary ny loza dia mivarotra izany « zava-pihinany » izany ihany koa ny lehilahy. Nanoloana ny vaovao azon’izy ireo dia nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitr’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Ny alakamisy maraina teo dia nisy ny fidinana ifotony nataon’izy ireo teny an-toerana, tao amin’io tanàna voalaza fa nipetrahan’io terantany vahiny io. Nirosoana ihany koa ny fisavàna izany trano izany. Raha ny fampitam-baovao azo anefa dia tsy tratra tao an-toerana ny tompon-trano. Vehivavy iray 19 taona no tao izay voalaza fa sakaizany. Nosamborina avy hatrany moa ity farany ary nentina nohadihadiana « Tamin’izany no nilazany fa hitany mifoka rongony foana ilay sipany fa tsy fantany hoe mivarotra » hoy izy. Tetsy andanin’izay moa, nahitàna vovo-javatra milanja teo amin’ny 35,38 grama teo tao amin’ity trano ity, izay rehefa natao ny fanamarinana dia fantatra tokoa fa « héroïne » izy io. Tombanana ho any amin’ny roa tapitrisa latsaka any ho any ny teti-bidin’izany, raha raisina amin’ilay vidiny 50.000 ariary, handraisan’ilay ramatoa, efa voasambotry ny pôlisy tetsy Antohomadinika, andro vitsy lasa izay. Raha ny mahakasika ilay teratany vahiny dia voalazan’ny pôlisy fa efa mandeha fikarohana azy hatraiza hatraiza. Ny amin’ilay sipany kosa dia natolotra ny Fampanoavana omaly ny anao vavy, izay henjehina no ho ny firaisana  tsikombakomba amin’ny mpivarotra sy mpifoka rongony mahery vaika.

Raha izao vokatra izao tokoa dia azo lazaina fa efa miroso miandalana any amin’ireo tena atidoha mpanaparitaka ireny rongony mahery vaika ireny eto amintsika ireo mpitandro filaminana. Ary hirarian’ny rehetra ny hitohizan’izany hatrany. Tato anatin’ny taona vitsy tokoa mantsy dia tena niparitaka izay tsy izy ny fandraisana sy fivarotana itony rongony mahery vaika itony teto amintsika. Saika ahitàna izany avokoa na aiza na aiza, eto andrenivohitra, ary tapitra mandray azy avokoa ny saranga rehetra. Rehefa azon’ireo mpibizina kely mantsy dia mbola voatsinjara amin’ilay antsoina hoe « cocote » (indray mitsindrona) ny iray grama ary lafon’izy amin’ny vidiny 2.500 ka hatramin’ny 5000 ariary izany. Izany hoe ao anatin’ny fahefa-mividin’ny rehetra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici