Sambany tamin’ny tantaran’ny vadintany sy ny mpanao lavanty izay manana ny holafiny, ny fisian’ny filohan’izany avy amin’ny vadintany sy mpanao lavanty miasa any amin’ny faritra ankoatra an’Antananarivo. Natao tao Antananarivo ny alakamisy sy ny zoma teo ny fivoriam-ben’ny vadintany sy ny mpanao lavanty Malagasy, raha efa saika ho natao ny volana jona izany nefa voatery nahemotra noho ny olana tamin’ny fampitam-baovao sy ny tamin’ny fiantsoana ireo vadintany sy mpanao lavanty manerana ny Nosy. Nandritra izany no nanavaozan’izy ireo ny birao mpitantanana azy ireo eo anivon’ny holafitra, ka nisy ny fifidianana natao izay ho filoha mpitarika azy ireo. Isan’ny mpifaninana nandritra izany ny Me Rasamimaka Mahefalahy vadintany sy mpanao lavanty miasa eto Toamasina; koa nandritra ny safidy nataon’ireo vadintany sy mpanao lavanty; izay efa tamin’ny fihodinana faharoa vao vita; dia ny Me Rasamimaka Mahefalahy no lanin’ny mpiakambana rehetra hitarika azy ireo eo anivon’ny holafitra tamin’ny vato 70 amin’ny ireo mpifidy 105, raha tsy nahazo vato afa-tsy 32 kosa ny mpifaninana taminy, nandritra izany ny Me Baholiniariniony Annie Sylvie fihodinana faharoa izany. Mbola mifandamina amin’ireo mpikambana eo anivon’ny biraon’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty ny Me Rasamimaka Mahefalahy; izay nilaza fa ny « voalohany ny Fifandraisana, ny faharoa fandrosoana, ny fahatelo Fahendrena, ny fahefatra Fahamendrehana, ny fahadimy Fisandratana, ny fahenina Firaisana amin’ny any ivelany sy anatiny, ny fahafito Fahaizana, ary ny farany dia ny fanomanana ny hoavin’ny vadintany sy ny mpanao lavanty malagasy ». Ny fandaharan’asany ho an’ny fanatsarana ny asan’ny vadintany sy ny mpanao lavanty; satria mpanatanteraka ny didin’ny fitsarana no asa nampiandraiketin’ny lalàna azy ireo; mba hisian’ny tany tàn-dalàna.
Malala Didier