- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversFIKAMBANANA FANAMBY / Tanora 130 isa nahazo fampiofanana sy vola 1 tapitrisa...

FIKAMBANANA FANAMBY / Tanora 130 isa nahazo fampiofanana sy vola 1 tapitrisa ariary

Fikambanana tanora mandray andraikitra miady amin’ny fidorohana zava mahadomelona ny fikambana FANAMBY, ny taona 2019 no efa nijoroany teto Antsirabe . Ankoatra ny ady atao amin’ny fidorohana zava mahadomelona dia manome fiofanana ireo tanora tsy an’asa na niala andaharana teny an-tsekoly ny fikambanana mba hialany amin’ny fidonanam-poana. Tanora miisa 130 no nahazo fampiofanana arak’ asa  sy vola 1 tapitrisa ariary avy hananganana tetikasa. Naharitra roa volana ny fampiofanana ka  iray tamin’ireo taranja niofanana no tsy maintsy hampiasana ilay vola 1 tapitrisa ariary. Karazany telo ny fampiofanana nomena ireo tanora dia fampiofanana mahakasika ny fiompiana akoho fakana nofo, fiompiana akoho gasy nohatsaraina ary farany mahakasika fiompiana kisoa. Hampiasa avy hatrany ny fahaiza manaony avy noratoviny ireo tanora ireo ka afaka roa volana dia hisy ny fanaraha maso sy tomban’ezaka hatao, ireo tanora nahomby tamin’ny  tetikasany dia hitohy ny famantsiana fa ireo tsy nahomby kosa na ninia tsy nanao na inona na inona dia handraiana fepetra ary tsy hisitraka ny fanampiana intsony.

Tanjon’izao tetikasa izao ny mba hahaleovan-tenan’ireo  tanora eo amin’ny fihariany, ankoatra ny fampiofanana tahaka izao dia misehatra amin’ny lafiny fanatanjahan-tena ny fikambanana, ny fitaleavam-paritry ny tanora ny fanatanjahan-tena raha teo no miara miasa akaiky sy manohana ny fiikambanana FANAMBY hoy Ralaiavao Nandrianina Ange Bernard filohan’ny fikambanana. Izany indrindra no nisian’ny fampianarana sy fanentanana ny tanora tsy hiroso amin’ny fidoroahana zava maha domelina talohan’ny fampiofanana nomena azy ireo.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici