Ny sabotsy teo tao amin’ny Toamasina II no nanolorana tohana ara-tsosialy ireo mpianatra miisa 7.606 ny “cours” maimaimpoana ho azy ireo, izay natolotry ny vadin’ny filohan’ny fanavaozana Rtoa Elisa Randrianirina, ho fanampiana azy ireo noho vokatry ny rivodoza izay nandalo. Tamin’ny alalan’ny fikambanana Fanjiry izay natsangany ihany no nanolorana izany, ny sabotsy io ihany no natomboka ny “cours” maimaimpoana nomeny ity. Raha tsinjaraina ny fizarana izany isaky ireo mpianatra halana fanadinam-panjakana izany isa izany, dia miisa 5.975 ho an’ny CEPE – miisa 1.846 ho an’ny BEPC – ary miisa 573 ireo mpanala ny fanadinana Bakalorea. Tao amin’ny kaominina Fanandrana no nanaovana ny lanonana fampahafantarana izany ny sabotsy teo io, izay nahitana ny solontenan’ny vadin’ny filohan’ny fanavaozana Elisa Randrianirina filoha nasionalin’ny fikambanana FANJIRY. Tonga nanome voninahitra izany koa ny lehiben’ny DREN Atsinanana sy ny lehiben’ny CISCO Toamasina II, izay samy nilaza fa “zava-dehibe ny fanampiana ny mpianatra tahaka izao mba ahafahafan’izy ireo tsy ho tara amin’ny lesona sy fanabeazana azony talohan’ny rivodoza ireny”. Ho fanampiana ireto mpianatra ireto, mba hitovy lenta amin’ny namany hiatrika ny fanadinam-panjakana ireo ihany koa ny antony nanomezana “cours” maimaim-poana azy ireo, hoy ny mpitondra tenin’ny vadiny filohan’ny fanavaozana. Amin’ny fikambanana mantsy dia “sambatra izay mifanampy, fa tsy misy manana ny ampy”, ka faly tao anatin’ny fanampiana ireo zanany tamin’izany ireo ray aman-dreny manan-janaka halana fanidinam-panjakana.
Malala Didier


