- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikambanana « GMUR » Toamasina : Nanolotra fitaovam-pitsaboana ny maternité ao amin’ny...

Fikambanana « GMUR » Toamasina : Nanolotra fitaovam-pitsaboana ny maternité ao amin’ny Hôpitaly be

Ny sabotsy teo no natolotra ofisialy ny toeram-pitsaboana ireo vehivevy miteraka tsy maintsy hanaovana fandidiana, ireo fitaovana samihafa avy amin’ny fikambanana « GMUR », na Vondrona Hery Vonjy Taitra ny Khoja teto Toamasina, notarihan’ny filohany Atoa Akil . Nahitana ireo fandriana ho an’ny famelomana aina, ireo seza misy kodiarana hanamora ny fitaterana ireo vehivavy bevohoka mamonjy ny toeram-pandidiana, ary ireo fitaovana samihafa tena ilaina amin’izany famelomana aina ho an’ny vehivavy bevohoka avy nodidiana izany. Nanolotra azy noho ny fangatahan’ity sampan-draharaha ity ny avy eo nivon’ny « GMUR ». Nandray izany kosa ireo mpitsabo misahana ity sampan’asa eo anivon’ny hopitaly be ity. Raha ny fanazavana azy koa, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, dia hovitaina alohan’ny krismasy izao ny fametrahana ireo « ventilateurs » isaky ny efitra ho an’ireo vehivavy avy nodidiana mila izany, sy ireo « climatiseurs » ho an’ny efitrano fandidiana an’ireo vehivavy saro-piterahana na misy vonjimaika izany.

Nilaza hatrany ny fikambanana « GMUR » fa vonona hatrany izy ireo, tahaka ny efa nataony teo aloha sy ataony izao ary ny mbola hataony, dia vonona hatrany izy ireo hanampy ny hopitalibe, indrindra ny fitsaboana ny reny sy ny zaza eto Toamasina amin’ny lafiny rehetra.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici