- Publicité SW45 -
lundi, octobre 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikambanana « mahavagno » : Fahombiazana ny tomban’ezaka tao anatin’ny dimy taona 

Fikambanana « mahavagno » : Fahombiazana ny tomban’ezaka tao anatin’ny dimy taona 

Nisy ny fihaonambe notanterahin’ny fikambanam-behivavy  avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana izay fantatra amin’ny anarana hoe :  « mahavagno »izay natao teny amin’ny Cercle Mess Soanierana ny sabotsy teo. Tamin’izany no nanaovan’ity fikambanana izay misehatra amin’ny fanaovana asa sosialy ity ny tomban’ezakin’ny asa vita tao  anatin’izay dimy taona izay. Tsara ny manamarika fa ny reny sy ny zaza no tena laharam-pahamehana amin’ny asa izay ataon’izy ireo. Tamin’izany indrindra no nanambaran’ny filoha nasionalin’ny « mahavagno » , Randrianasolo Pauline fa maro ireo asa izay vitan’izy ireo niatrehana ny fiantraikany ara-toekarena sy sosialy tao aorian’ny fandalovan’ny Covid-19 teto Madagasikara. Teo ihany koa ny akon’ny ady any Ukraine teo amin’ny vidin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ary ny fiantraikan’ny rivo-doza isan-taona  mahazo iny faritra Atsimo Atsinanan’ny nosy iny. 

Sosialy

Nanamarika izay dimy taona izay ny fanampiana ireo vehivavy marefo may trano tao Farafangana ka nanorenana trano fito ho azy ireo. Nandray an-tanana ny fitsaboana ankizy nararin’ny « hydrocéphalie » tao amin’ny hopitaly HJRA tamin’ny fanohanana ara-bola sy ara-môraly ny ray amandreniny ihany koa ny fikambanana. Teo ihany koa ny fizarana bodofotsy ho an’ny be antitra  ary sakafo masaka hoan’ny ankizy sahirana teny amin’ny 67ha. Tsy nanadino ireo vehivavy voafonja tao Antanimora ihany ko aizy ireo  tamin’ny fanomezana fitaovana fidiovana hoazy ireo niaraka tamin’ny lamba fitafy. 

Firaisan-kina

Mpiray ombon’antoka amin’ny « Réseau des Femmes d’Afrique Francophone » any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ihany koa ny « mahavagno » amin’ny fandraisan’anjara amin’ny fivoriana iraisampirenena eo amin’ny sehatra fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy. Mampiavaka ny fikambanana «mahavagno » ny fahaizan’ny mpikambana miaraka na dia eo aza ny fahasamihafana amin’ny firehan-kevitra politika. Mafana ny fifandresen-dahatra ao anaty fikambanana fa ny tanjona dia tsy maintsy tanterahina daholo  hoy izy ireo. Ho azy ireo dia ny fampandrosoana ny tany niaviana no tena zava-dehibe.

Narindra Rakotobe

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici