- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversFikambanan’ny “Grand Corps de l’Etat” Toamasina : Tsy manaiky ny hanaovana fitaovana...

Fikambanan’ny “Grand Corps de l’Etat” Toamasina : Tsy manaiky ny hanaovana fitaovana politika ny fikambanan’izy ireo

Indray Grégoire filohan’ny Grand Corps de L’Etat, faritany Toamasina.

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’ny fikambanan’ny mpiasam-panjakana ambony, “Grand Corps de l’Etat” eto Toamasina, Atoa Indray Grégoire amin’izao fidiran’ireo mpanao politika sy ireo kandidà ary ireo mpanohana azy avy amin’ny fampielezan-kevitra hanomboka ny 8 oktobra ho avy izao. Nisy noho izany ny fanazavana nentiny ho an’ny mpikambana mpiara-dia aminy sy ny Malagasy, fa tsy eken’izy ireo ny fampiasana any anaran’ny fikambanan’izy ireo amin’ny fanohanana kandidà, sy amin’ny fampandaniana kandidà, ary amin’ny fanaovana politikam-pifidianana misy ankehitriny izao. Mpiara-miasa amin’ny fanjakana amin’ny fampandehanana sy haha-demokratika ary haha-ara-dalana ny fifidianana ny 7 novambra izao ny mpiasam-panjakana ambony, ka ho an’ireo mpikambana tsy manaja izao fepetra noraisina izao izay efa voasoratra rahateo ao anatin’ny lalana mifehy azy ireo, dia hisy ny sazy ho azy ireo. Na izany aza, amin’ny maha-olom-pirenena ny mpiasam-panjakana ambony tsirairay avy, dia manan-jo hanao politika sy hanohana kandidà izy ireo, saingy tsy manan-jo kosa mitonona ho mpikamban’ny mpiasam-panjakana ambony mandritra izany. Ankoatra izay, dia rafitra isan’ny matanjaka eto amintsika ny federasionin’ireto mpiasam-panjakana ambony ireto, sy ireo fikambanan’izy ireo isaky ny faritany, ary ireo rafitra misy isaky ny minisitera tsirairay avy. Midika izany, fa miainga amin’ny mpiasam-panjakana ambony ny fanarahan-dalàna sy fampanajana ny lalàna raha tiana ny hisian’ny tany tan-dalàna eto, hoy hatrany ny filohan’ny “grand corps de l’Etat” eto Toamasina, Atoa Indray Grégoire.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici