- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversFikambanan’ny mpitsok’ovy Antsirabe : Hametraka vina ho fampandrosoana ny faritra

Fikambanan’ny mpitsok’ovy Antsirabe : Hametraka vina ho fampandrosoana ny faritra

Mivondrona ao anatin’ny fikambanan’ny tanora mitana toerana ambony eto Vakinankaratra na AJCV “Association des jeunes cadres de Vakinankaratra” ny mpitsok’ovy. Ny ovy izay vokatra ahafantarana ny faritra Vakinankaratra na Antsirabe no manakaiky azy kokoa, OVY izay nadika “ Orim-baton’ny Vina Iombonana. Nisy ny fihaonan’ireo mpikambana sy mpanorina ity fikambanana ity, ny faran’ny herinandro lasa teo, fihaonana nitafana tamin’ny mpanao gazety nampahalalana fa misy tokoa  izany fikambanan’ny mpitsok’ovy izany, hoy ny filohan’ny fikambanana Andriamihaja Rakotomalala raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. “Fihavanana tsy ravan’ny taona” teny notsongaina tamin’ny tanon-kiran’ny Mahaleo, no teny filamatry ny fikambanana .

Fantatra, fa ny 10 Novambra 2018 no hotanterahana ny fihaonam-be voalohany tao anatin’ny telo taona niorenany izay. Isan’ny fandaharam-potoana amin’io fotoana io, ny hametrahana lamin’asa sy vina ary famelabelaran-kevitra hiompana amin’ny fampandrosoana ny faritra sy ny tombontsoan’ireo mpikambana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici