- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikasana hivarotra vary lo : Niitatra ny raharaha noho ny fanivaivana ny...

Fikasana hivarotra vary lo : Niitatra ny raharaha noho ny fanivaivana ny prefen’i Toamasina

Efa eo am-pelan-tanan’ny zandary misahana ny raharaha ilay  fikasan’ity orinasa mpanafatra vary avy any ivelany tantanana tera-tany Indiana hivarotra vary efa simba sy lo  2.776 lasaka, tratra tao Androranga; izay efa fomba fanaon’ity mpandraharaha Indiana ity, saingy izao vao tratra izy roa lahy ireto. Niitatra anefa ny raharaha izao, satria nisy polisy roa lahy miasa eo anivon’ny “section judiciaire” eto Toamasina niambina ilay magazay, mikasa ny hivarotra vary simba sy lo ireto tamin’ny fahatongavan’ny “task forces” misahana ny resa-bary eto Toamasina. Tsy vitan’ny efa mpiray tsikombakomba tamin’izao resaka vary simba sy lo izao ireto polisy roa lahy ireto, fa mbola nikasi-tanana mpanao gazety nanao ny asany tamin’ny alàlan’ny tehamaina in-droa, sy mbola nanivaiva ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille ihany koa. Raha miatrika ny fakana am-bavany azy eo anivon’ny zandary izany ireo mpiasa 44 mianadahy tratra nanivana ireto vary simba sy lo, sy ireo tera-tany Indiana roa lahy tompony, dia ny prefektiora kosa amin’ny maha-mpiasam-panjakana azy no nisahana ireto polisy roa lahy, ka nisy ny fampiantsoana nataon’ny prefe ny lehiben’ny polisy eto Toamasina sy ireto polisy roa lahy ireto, nifanazavana tamin’ny zava-nisy hahafahan’ity lehiben’ny asam-panjakana eto Toamasina ity mandray ny fepetra mifanaraka amin’ny heloka vitan’izy roa lahy ireto. Tratra am-bodiomby anefa izy roa lahy ireto ka tsy niaro azy ireo intsony ny talen’ny filaminana eto Toamasina, sy ireo lehiben’ny polisy, ary ireo polisy namany satria aretina sy tsy fahasalamana lalina ho an’ny vahoaka no haterak’izao firaisana tsikombakomba nataon’izy roa lahy ireo izao, noho ny resa-bola sy fanaovana kolikoly avo lenta.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici