- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversFikatonan'ny faritra : Nisy nitondra razana teny amin'ny CCO mba hatao porofo

Fikatonan’ny faritra : Nisy nitondra razana teny amin’ny CCO mba hatao porofo

Araka ny fanehoan-kevitry ny fanjakana dia tsy manan-kery itsony ny fahazoan-dàlana na misy sonian’iza na iza izany. Nihatra avy hatrany izany nanomboka omaly tamin’ny mitataovovonana. Omaly ihany dia efa tsy nandray taratasy fangatahana intsony ny ATT izay manana ny biroany etsy amin’ny fiantsonan’ny fiara fitaterana etsy Andohatapenaka. Nihidy hatramin’ny trano aza. Teo no niteraka fisavorovoroana ara-tsaina kely ho an’izay tsy maintsy ho any amin’ny faritany noho ny fisian’ny fahoriana. Toa ity fianakaviana izay tonga teny an-toerana ka nahatsikaritra fa tsy nisy tompon’andraikitra intsony tao. Nanapa-kevitra araka izany ireo olona ny ho eny amin’ny foibe CCO na ny foiben’ny toeram-pibaikoana etsy Ivato. Notaterina teny ny fiara izay nisy razana ary izany dia mba ho porofo ka hahazoana ny fahazoan-dàlana hivoaka ny faritr’Analamanga mba handevina. Afaka nanatontosa izany ihany ireo mana-manjo. Raha araka ny fanazavana azo dia eny amin’ireo barazy ara-pahasalama no manao ny fanamarinana rehetra ary tsy ilàna intsony ny taratasy fahazoan-dàlana, araka izay fanapahan-kevitra noraisina farany teo. Araka ny fahazoana ny zava-misy izany dia ireo mpitandro ny filaminana eny amin’ny barazy no tompon’andraikitra voalohany sady farany amin’ny famelàna na tsia ny fivezivezena. Ireo fiara mitondra razana na marary ary koa ny fiara mpitatitra entana. Voafetra amin’ireo sisa no afaka mivezivezy ary mijanona tanteraka ny ankoatra izay. Haingana be ny fampiharana ilay fanapahan-kevitra hany ka ny faran’ny herinandro teo dia efa nisy ny tsy fifankahazoana teo amin’ny mpampihatra sy ny iharany, ny tena votoatiny. Toy izay niseho tetsy Ilafy, ka ireo mponina teny amin’ny manodidina sy izay tanàna manodidina, dia sahirana vao tafody. Nampahafantatra ny mpitandro ny filaminana fa : « malalaka ny fivezivezena ato anatin’ny faritra Analamanga hatramin’ny iray ora antoandro fa kosa manaja ireo fepetra rehetra izay napetraka; ny « barrage de refoulement » izay tsy ahafahana miditra sy mivoaka dia eny amin’ny fifarana’ny faritra voalaza no mipetraka. Misy ihany anefa ny ato anatiny fa resaka fisafoana no atao ; ny taxi-be dia afaka miasa hatramin’ny telo ora tolakandro fa manaja ihany koa ireo fepetra napetraka ; ny kamiao izay mitondra ny entana rehetra dia afaka mivezivezy manomboka amin’ny telo ora ka hatramin’ny 11 ora alina, ary afaka mivoaka manomboka amin’ny efatra ka hatramin’ny enina ora maraina; ny kamiao mitondra « légumes » kosa dia afaka miditra amin’ny efatra hatramin’ny enina ora maraina ».

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici