- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversFilaminam-bahoaka eto Toamasina : Tovolahy tratran’ ny polisy nitrondra basy PA tsy ara-dalàna

Filaminam-bahoaka eto Toamasina : Tovolahy tratran’ ny polisy nitrondra basy PA tsy ara-dalàna

“Tsy mijanona izahay raha tsy ho fongotra ny mpanao ratsy mampahory vahoaka eto Toamasina tato ho ato ity”, izay ny fanamby nataon’ny polisim-pirenena eto Toamasina, tamin’ny alalan’ireo kaomisera telo lahy misahana an’i Toamasina renivohitra sy ny komandan’ny Fip. Mitohy andro aman’alina ny hetsika fametrahana izay filaminam-bahoaka ataon’izy ireo izay, ka nisy indray ny vokatra tamin’ity herinandro ity nandritra izany, sy noho ny fiaraha-miasa matotra amin’izy ireo sy ny andrimasom-pokonolona. Tovolahy iray no tratran’ny polisy nitondra basy PA nafenina tao anatin’ny moto nentiny tao Andranomadio, amin’ilay faritra antsoin’ny mponina ao an-toerana hoe Bemenaka, sampanan-dalana mihazo ny trano fandraisam-bahiny Relax, izay tena hitrangana fanafihana sy fanendahana mpandalo amin’ny lalam-baovaon’Andranomadio iny. Tovolahy iray hafa koa no sarona tao Ankirihiry atsimo manakaiky ny Bazary may ao an-toerana ; izay efa nifanenjehan’ny polisy andro iray mialoha izao nahatrarana azy izao, saingy tamin’izay tafatsoaka izy sy ny namany iray; mbola tratra teny amin’ity tovolahy ity ny antsy be maromaro fampiasany amin’ny fanendahana mpandalo sy tratra hariva fanaony ao Tanambao V sy Ankirihiry. Mbola tovolahy mpanendaka hafa iray koa no voasambotry ny polisy tao Andranomadio ora vitsy taorian’ny fanendahana nataony, raha tonga nametraka fitoriana noho ny nanjo azy ilay olona voaendaka. Ankoatra izay, dia tovolahy iray izay efa herintaona nifampitadiavana noho ny fanafihana nitam-piadiana nataony teto Toamasina ihany koa no saron’ny polisy teto Toamasina tamin’ity herinandro ity. Tsy afa-nitsoaka intsony izy nandritra izany, satria tsy nampoiziny ho hitan’ny polisy mihitsy ny toerana niafenany sy ny fanovana endrika nataony nandritra ny fitadiavana azy. Anio avokoa no hiakatra fitsarana ny raharaha koa ho hita eo ny tohiny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici