- Publicité -
mardi, novembre 24, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFilaminam-bahoaka : Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny talem-paritra telo

Filaminam-bahoaka : Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny talem-paritra telo

Na efa niasa amam-bolana maro aza ireo talen’ny filaminam-bahoaka Atsinanana – Analanjirofo – ary Alaotra-Mangoro, ny sabotsy 21 novambra teo vao natao ny lanonana ara-miaramila fametrahana azy ireo ho mpibaiko ireo faritra misy azy telo lahy tsirairay avy.

Ny Commissaire Divisionnaire de Police Rakotoarijaona Faly ho an’ny faritra Atsinanana, ny Commissaire Divisionnaire de police Rakotovao Jean Christian ny ao Alaotra-Mangoro, ary Commissaire Divisionnaire de Police Lekira Stéphan ny ao Analanjirofo, ireo talem-paritra nanaovana lanonana teo aminy arabe ny fahaleovantena teto Toamasina ireto, izay natrehan’ny ministran’ny filaminam-bahoaka ny Inspecteur Général de police Erick Michel, sy ny tale jeneralin’ny polisy Contrôleur Général de police Tsaramonina Ravony Jean Victor.

Niatriaka izao lanonana ara-miaramila teo anivon’ny polisim-pirenena Toamasina izao, ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana an’i Toamasina ny solombavambahoaka Fidèl Razara Pierre.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici