Efa ela no nisy ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny polisim-pirenena eto Toamasina renivohitra, mikasika ny fanaraha-maso ireo takela-by dokam-barotra izay lasa betsaka mangalatra noho bizina vy mandeha ve eto Toamasina. Nahazo loharanom-baovao ny polisy misahana ny tananan’i Toamasina renivohitra tarihan’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, ka raikitra ny fisavana sy fanaraha-maso ireo olona nahazom-baovao ireo. Saron’ny polisy teny Ambalabe ireto mpangalatra ireo vy amin’ny dokam-barotra ireo, ary mbola tratra teny aminy koa ireo vy nangalariny tamin’izany. Efa tena lasa lamaody eto Toamasina mihintsy mantsy ity fividianana vy ity, izay tsy mifidy ireo mpividy fa rehefa vy dia vidian’izy ireo avokoa hatramina fanitso. Miteraka halatra sy asan-jiolahy mihintsy ity resaka fividianana vy ataona antokon’olona eto Toamasina ity, ka ireo Indiana monina eto Toamasina no tena mpanondrana azy ity any am-pitan-dranomasina ahodina ho lasa vy na takela-by azo ampiasaina indray. Nampitandrina vokatra izany ny polisim-pirenana fa tsy hitsitsy sy handefitra amin’ireo mpibizina mangalatra ireo foto-drafitrasa mitsangana amin’ny fangalarana vy izy ireo, ary hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana vokatra izany. Ireto olona roa ireto aloha izao no tratra fa mbola hitohy ny fisamborana sy fanaraha-maso satria efa anarana maromaro no efa azon’ny polisim-pirenena momba ireo mpangalatra takelaka dokam-barotra noho ny vy ireo amin’izao fotoana izao.
Malala Didier




