- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiondranana an-tsokosoko any Mayotte : Voasambotra ireo atidoha, olona 44 tra-tehaka

Fiondranana an-tsokosoko any Mayotte : Voasambotra ireo atidoha, olona 44 tra-tehaka

Mpivady ireo tomponantoka tamin’ny fanondranana olona an-tsokosoko atsy Mayotte, izay voasambotry ny zandary avy ao amin’ny fari-piadidian’Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy vitan’izay fa mbola saika hanao kolikoly tamin’ireo zandary ihany koa izy ireo, hamotsorana  azy sy hampanginana ny raharaha.

Maro tokoa ny olona no voasarika mora foana amin’ity fiondranana an-tsokosoko an-tanin’olona ity, indrindra any amin’iny faritra Diana iny, izay te hiondrana atsy Mayotte. Efa tonga tany an-tsofin’ireo tomponandraikitry ny zandary izany zavatra izany, izay voalaza fa misy olona mibizina sy mivelona amin’izay asa ratsy izay. Nahetsika daholo araka izany ireo vondron-kery rehetra tany an-toerana na ireo misafo tsy tapaka ny sisin-dranomasina na ireo tety an-tanety, taorian’ny fanomezam-baovao azon’izy ireo. Tao amin’ny toerana antsoina hoe, Mangirakirana sy Miloharano, samy ao amin’ny kaominina Bemanevika, distrika Ambanja no voalaza fa hiaingan’ireo olona handeha hiondrana an-tsokosoko. Ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny roa ora maraina, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena no nahatratrarana olona dimy tao Miloharano ary folo tao Mangirakirana, izay samy hikasa ny handeha avokoa. Teny am-povoan-dranomasina kosa no nahatratrarana botry sy vedety iray, izay samy nisy mpandeha 28 teo, nafenina tao ambany lakaly. Nahitàna bidon feno essence teo 1080 litatra ihany koa tamin’izany ary môtera anankitelo. Tamin’ny fakàna am-bavany ireto olona ireo, izay namafisin’ny kapitenin-tsambo sy ireo mpiatsambo fa nikasa ny hizotra ho any Mayotte tokoa ny dian’izy ireo.

Nitohy ihany ny famotorana ka fantatra fa vehivavy iray tao an-toerana no tomponantoka tamin’izao fandehanana an-tsokosoko izao. Tsy ela dia voafandriky ny zandary ity vehivavy ity, izay tonga teo an-toerana, niaraka tamin’ny vadiny. Efa tonga niaraka tamin’ny sakaosy misy vola, izay mitentina teo amin’ny 13 tapitrisa ariary teo izy ireo, izay voalaza fa saika hanambantambazana ireo zandary, hamelana azy handeha sy hampanginana ny raharaha. Rehefa heloka dia heloka anefa, ka notanana sy nentina nohadihadiana avy hatrany ireto farany. Ambonin’ny heloka hanenjehana azy ireo araka izany dia mbola miampy kolikoly indray izany vesatra izany. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana sy ny famotorana ireto oloan ireto any an-toerana, izay azo heverina fa efa tambajotra matanjaka mihitsy, raha n vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici