- Publicité SW45 -
mardi, avril 16, 2024
AccueilFaits-DiversFiparitahana fitaovam-piadiana : Ravan’ny zandary ny fanamboarana basy vita gasy

Fiparitahana fitaovam-piadiana : Ravan’ny zandary ny fanamboarana basy vita gasy

Ireo basy vita gasy tratra.

Nahazo loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po ireo zandary mapandritany any Ejeda fa misy olona mpanamboatra basy vita gasy avy any Manakaralahy handeha Ejeda, ny asabotsy teo. Nidina ifotony ireo zandary tarihin’ny komandy vondrotobi-paritra sy komandin’ny tobi-paritra Ejeda. Tra-tehaka ilay mpanamboatra basy vita gasy niaraka tamin’ny basimborina andalam-panamboarana. Nandritra ny savahao natao tao Bevoly fokontany Manakaralahy Atsimo kaomina Ejeda distrika ampanihy Andrefana dia sarona ihany koa ny basy poleta miisa roa izay mbola eo apanamboarana sy ireo kojakoja maro samihafa fanamboarana basy. Nogiazana avokoa ireo fitaovam-piadiana ireo, ary notazonina hatao famotorana ilay rangahy voasambotra.

“Manentana hatrany ny vahoaka mba hanome vaovao mari-pototra sy ara-potoana an’ny mpitandro filaminana mba handraisana fepetra haingana sy hametrahana fandriaham-pahalemana maharitra. Entanina ihany koa ireo manana basy hamita sy hanavao ireo taratasy mifandraika amin’izany.”, hoy ireo zandary nanatanteraka ny hetsika.

Avy amin’ny alalan’ny fiparitahan’ireo basy ireo no mampirongatra ny asan-jiolahy. Na andrenivohitra na ambanivohitra, miparitaka ny fitaovam-piadiana. Samy mampiasa ireo basy vita gasy avokoa na jiolahy eto an-tanandehibe, indrindra ireo dahalo any ambanivohitra. Fandraisana andraikitra izao ataon’ny zandary izao. Mbola maro ny basy miparitaka any amin’ny olon-dratsy, ary amin’ny faritra samy hafa mihitsy. Izay olon-dratsy tratra na matin’ny mpitandro filaminana ahitana basy avokoa. Ny tena zava-doza, misy basy tena izy, toy ny Kalachnikov any amin’ireo olon-dratsy. Avy aiza ireo?

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici