
Rongony maina teo amin’ny telo kilao latsaka teo, niampy « rôrô » tany ho any amin’ny 10 grama tany no saron’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobi-paritra Ambohidratrimo, ny sabotsy lasa teo. Izany dia nandritry ny hetsika nataon’ny teo anivon’ny zandary, ho enti-miady amin’ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika teto amintsika.
Raha ny fanazavana azo, niainga tamin’ny fanomezam-baovao azo teo anivon’ny ity vondron-tobi-paritra ity ny rehetra, mahakasika ny fisiana tambazotra mpanaparitaka itony rongony mahery vaika itony. Nidina vao maraina teny amin’ny toerana voatondro, tao amin’ny fokontany Mazavatokana, ao amin’ny kaominina Mahitsy ireo zandary tany an-toerana nampian’ny teo anivon’ireo zandary avy ao amin’ny fiofanana manokana, izay mpibaiko ireo alika mpitsongo-dia. Tra-tehaka ary tsy afa-niala tokoa ny olona am-polony maro, izay misy mpivarotra sy ny mpitsindrona tao. Nisy roa tamin’izy ireo no vehivavy, hoy hatrany ny fanazavana azo. Ankoatr’ireto olombelona, izay nosamborina avy hatrany ireto dia mbola nahitàna porofo nitohaka tamin’ny tenda, tamin’ny fandikan-dalana nataony izy ireo. Rongony mahery vaika isan-karazany, niampy fitaovana fitsindromana ary fitehirizana ireto zava-mahadomelina ireto no sarona tao amin’io trano io. Nogiazana avy hatrany moa ireto fitaovana ireto ary nanokafana fanadihadiana ireo voasambotra. Fivarotana, fitananana ary fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika no vesatra hanenjehana azy ireo.
m.L