- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversFisandohana ny sampan-draharahan’ny hetra : Karohina Rasolonandrasana Henry

Fisandohana ny sampan-draharahan’ny hetra : Karohina Rasolonandrasana Henry

Raha efa miandry fitsarana azy ao Ambalatavoahangy Ingahy Philippe, niray tendro tamin’ny fisandohana ny sampan-draharahan’ny hetra tao Toamasina, tamin’ny fangalarana sonia sy fampiasana ny anaran’ireo tompon’andraikitra ny sampan-draharaha ary nanao hosoka sy fampiasana hosoka ny taratasim-panjakana ; dia tena ifampitadiavana Ingahy Rasolonandrasana Henry, voalaza ho atidohan’izany.

Raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasam-piambenana “Pro-Gesi” niasan’ i Henry teo aloha, dia tsy mahagaga azy raha nahavita izao ity tovolahy ity, satria noho io fisandohana, sy fampiasana hosoka io ihany no nandroahany azy, roa taona lasa izany, raha nikasa hanimba ny orinasany tamin’ny fisandohana ny anarany sy ny mpiara-miasa aminy maromaro. Tamin’ny fitoriana napetraka tamin’izay no efa nifampitadiavana tao Toamasina Ingahy Henry. Nomarihan’ity tale jeneralin’ny “Pro-Gesi” ity ihany fa tsy vitan’io fisandohan’io no nataon’ity mpiasany teo aloha ity, fa hatramin’ny zanany mihitsy no nokasain’ity tovolahy ity nalaina an-keriny, saingy nivoaka mialoha ny tsiambaratelony.

Amin’izao resaka fisandohana mpiasan’ny sampan-draharahan’ny hetra sy ny taratasin-ketra izao anefa, dia heloka bevava no anenjehan’ny fitsarana sy ny fanjakana an’Ingahy Henry, ka iangavan’ny sampan-draharaha sy ny polisy ary ny mpampiasa teo aloha, fiaraha-miasa matotra amin’ny vahoaka sy fokontany amin’ny fanomezam-baovao izay misy azy…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici