Vola efamanodidina ny 40 tapitrisa ariary teo ho eo no azon’ireto mpisoloky tamin’ireo mpikirakira vola amin’nyfinday lasibatr’izy ireo amin’ny alalan’nyfisolokiana. Mpiasan’ny tambajotram-pifandraisana iray any amin’iny faritra Sava iny no nosamborina, ary voalaza fa lehiben’ireo mpisoloky. Tato anatin’ny volana vitsivitsy izay dia maro tokoa, raha ny fitarainana hita ao anaty tambajotra sosialy tao, no lasibatr’ireo mpisoloky amin’nyalalan’ny fandefasam-bola amin’ny finday. Tsy vitsy ireo efa tratr’ilay hoe « lasa mihoatra ny vola lasa any aminao fa mba avereno ange azafady». Ny tena marina anefa dia hafatra fohy (sms) mitovy tsy misy valaka amin’ny alefan’ireo tambajotram-pifandraisana mikirakira ny fandefasam-bola amin’ny finday no alefan’izy ireo any amin’ilay olona. Raha sendra tsy voajery tsara ilay hafatra, araka izany dia tena mino tokoa fa nahatongavana volabe tao anaty findainy. Indrindra moa fa hoe ataon’ilay mpisoloky hatrany ny hanelingelenana sy ny tsy hifantohan’ny saina hanamarina tokoa fa avy amin’ilay tambajotram-pifandraisana ilay hafatra. Tany amin’iny faritra Sava iny, tao amin’ny distrikan’i Sambava no voasambotra ny olona voalaza fa isan’ny tao ambadik’izany fisolokiana goavana izany, ny herinandro teo, izay fantatra fa mpiasa amin’ireny orinasa mpikirakira ny tambajotram-pifandraisana ireny. Toerana maromaro no efa nahazoan’izy ireo, ireo volabe voalaza etsy ambony iny ary ny maro an’isa tamin’izany dia teto an-drenivohitra, tany Toamasina ary tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny. Marihana fa miovaova laharana foana ireto mpisoloky ireto ary ny tena loza, raha ny fampitam-baovao, dia olona sendra mividy «puce» ara-dalàna teo aminy no hanaovan’izy ireo taratasy hosoka, hangalàny «puce» roa na telo. Izany hoe, nisoratra tamin’ity olona ity, izay tsy nanam-po akory ny zava-nisy, ireo laharana entin’izy ireo misoloky. Eto moa dia manentana hatrany ny rehetra ny eoanivon’ny mpitandro filaminana mba ho mailo hatrany. Hanamarina hatrany ny fiavian’ny hafatra voaray amin’ny fikirakirana vola, izay mazàna dia tsy misy laharana fa misoratra amin’ireo tolotra omen’ireo orinasa misehatra amin’ny tambajotram-pifandraisana. Fa indrindra, hanamarina hatrany ny toe-bola anaty finday, aorian’ny nahazoana vola.
m.L