- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversFisolokiana amin’ny Facebook : Lehilahy iray nosamborin’ny polisin’ny Cybercriminalité

Fisolokiana amin’ny Facebook : Lehilahy iray nosamborin’ny polisin’ny Cybercriminalité

Efa nahatratra hatrany amin’ny 24 tapitrisa ariary tany ho any ny vola azon’ity lehilahy ity sy ny namany tamin’ireo olona voasolokiny. Tamin’ny alalan’ny tambajotra sosialy Facebook no nanaovany izany asa ratsy izany, ary resaka asa any Maorisy no nanjonoany ireto olona ireto.

Raha ny hita, efa lasa tokontany filalaovan’ireo olon-dratsy ihany koa amin’izao fotoana izao ny tambajotra sosialy. Tao anatin’ny iray tamin’izy ireny mihitsy no nahazoan’ity lehilahy iray vola an-tapitrisany maromaro. Voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka an’habaka ihany moa ingahirainy nony farany, ny sabotsy lasa teo, rehefa nisy ny fikarohana nataon’ireo mpanao fanadihadiana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy dia milaza fa afaka mandefa olona hiasa ao amin’ny Nosy Maorisy ny tenany. Marobe tokoa araka izany ny tafalatsaka tao anaty ny haratony. Efa nahatratra teo amin’ny 12 isa teo izy ireo. Samy nandoa vola mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary tsirairay avy ireto olona ireto, mba  « ho fikarakarana ny fandehanan’izy ireo hiasa » hoy ny vaovao. Ny loza anefa, hatramin’izao, tsy nahitana mangirana izany ary voarirarira hatrany ireto olona « handeha hiasa » ireto.

Tambajotran-jiolahy mihitsy izy ireo, raha ny nampitain’ny polisy hatrany satria, tsy ity voasambotra ity irery no fantatra fa tompon’antoka tamin’ilay raharaha fa misy namany hafa, izay mbola karohina. Ny sasany tamin’izy ireo aza moa dia voalaza fa efa tafapita ranomasina.

Ny zava-nisy. Niainga tamin’ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny Facebook ny resaka. Olona iray, izay maniry fatratra te handeha hiasa any ivelany ary nataon’ny mpisoloky lasibatra no nisy nanome soson-kevitra ny hifandray tamin’ireto tambajotran-jiolahy ireto, izay mazava ho azy fa tsy mbola namoaka ny maharatsy azy.  « Nifandray tao anaty tambajotran-tserasera facebook izy sy ny tombon’andraikitra amin’io asa any Maorisy io ary niafara tamin’ny fihaonana rehefa nipetraka ny fifampitokisana » hoy ny vaovao. Mba hampilentika kokoa ny haza anefa dia nilaza ireto fa mila olona hafa hatrany amin’ny 12 isa ireo ho an’ny fandehanana voalohany. Nitady ary nahita ireto olona ireto tokoa araka izany ilay olona voalohany. Saika mpiray fiaviana aminy, avy any amin’iny faritra Sava iny avokoa izy ireo. Teo dia efa nandeha ilay fakàna vola roa tapitrisa ariary ary nasaina niakatra sy nampiatranoina taty an-drenivohitra ireto fokonolona ireto, mandram-piandry ny fivoahan’ny taratasy. 

Tokony ho efa tany amin’ny volana oktobra tany no voalazan’ireo mpisoloky fa handehanana kanefa niha-nihemotra hatrany izany ary tsy hita veroka intsony taty aoriana. Nanapa-kevitra ny hitory teny anivon’ny pôlisy araka izany ireto olona nahatsapa tena fa voasoloky ary nandeha ny fanadihadiana rehetra. Niafara tamin’ny fisamborana olona iray moa izany, raha ny vaovao hatrany.  Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity farany ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo namany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici