Ela nitoratorahana ihany ny farany ingahy ka izao tsy afa-bela izao tamin’ny zandary izao. Omaly no voasambotra teny amin’iny faritra Ambaniala Itaosy iny ny tompony sy ny ao ambadik’ireo kaonty mpisoloky maromaro, efa nampitaraina olona betsaka tokoa tao anaty tambajotra sosialy tao. Tsy iza izany fa ry « Romeo HR, Idealy HR, Tahina Rakoto, Feno soa, Manda Fy, Tania Nathalie, Frère Gideona, Frere Gideona».
Tao anaty tambajotra sosialy tao mantsy dia efa zary lasa vazivazy ny efa maharaka sisa ry Ambohimandroso, Ankazobe, Toamasina sy Fianarantsoa, izay mazàna toerana lazainy fa misy ireo entana amidy, kanefa ao anatin’izay dia mbola maro ihany ireo tafaroboka. Tsotra ny antony : mora dia mora lavitra noho ny tena vidiny ireo entana amidiny. Na fiara io na môtô, na trano sy izay rehetra hitany eo ambany masony. Mazava ho azy sarin’entan’olon-kafa no angalariny ary ataony amin’ireo kaonty maro dia maro ireo. Misy laharana apetany miaraka amin’ny vidiny varoboba eo. Rehefa miantso azy ny olona dia milaza fa any amin’ireo faritra voalaza etsy ambony ny entana ka mila mandefa vodiondrim-barotra na « frais » na solika handefasana ny entana ho any amin’ny tompony. Ka rehefa nony azony ny vola dia tapitra eo ny fifandraisana ary tsy azo antso intsony ranamana. Na io « bloqué » na io « liste noire », hoy ny zandary. « Izay mpanjifa mitady hirika ifandraisana aminy dia anaovany ambana (menace) ary angalariny ny sary sy anaran’ilay mpanjifa voasolokiny ary ampiasainy hanaovana fisolokiana indray ».
Mahay miafina dia miafina tokoa ranamana hatramin’izay kanefa rehefa ela nikarohana azy ireo mpitandro filaminana dia izao voapaingotra izao ihany. Taorian’ny fikarohana an’habaka sy ny angom-baovao isan-karazany teo am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana mantsy dia fantatra fa avy any amin’iny kaominina Bemasoandro iny no niaingan’ny fitsikilovana. Rehefa natambatambatra ireo hirika rehetra dia tao Sahalemaka, fokontany Ambaniala, no nisy azy ary tao ny tranony. Napetraka ny vela-pandrika rehetra ary dia izao tra-tehaka izao io ihany. Tombanana ho efa aman-jatony maromaro any ho any no efa tratra sy lasibatr’ity mpisoloky gaigilahy ity, hoy ny teo anivon’ny zandary. Koa miantso ireo rehetra efa niharan’izany izy ireo ho tonga eny an-toerana hanohana sy hanatevin-daharahana ny fitoriana. Ny eo anivon’ny tobim-paritry ny zandary eny Itaosy no misahana ny fanadihadiana azy. Ingahy kosa notanana natao andrimaso eny an-toerana ho amin’ny famotorana alohan’ny hanolorana azy eo anivon’ny Fampanoavana.
m.L




