- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Anjaran’ireo hôtely lehibe indray no lasibatra

Fisolokiana avo lenta : Anjaran’ireo hôtely lehibe indray no lasibatra

Tambajotra lehibe sy goavana mihitsy no heverina, fa ao ambadik’ireo resaka fisolokiana etsy sy eroa miseho lany amin’izao. Ary tsy vitan’ny olon-tsotra intsony no lasibatra amin’izao, fa na hatramin’ireo orinasa goavana aza, eny hatramin’ireo hôtely lehibe manana ny lazany. Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Fibaikona ny Zandariam-pirenena omaly, nandritra ny tafa nifaovanan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety, dia efa maro ireo fitarainana azo mahakasika izay. Ary efa azo lazaina fa volabe tsy toko tsy forohana no lasan’ireo olon-dratsy. Saingy hatreto, tsy mbola nisy voasambotra ireo tompon’antoka amin’izany. Miantso ireo tsara sitrapo araka izany ireto mpitandro filaminana ireto mba hiaraha-kiasa, hanome vaovao azy ireo amin’izay mety ho olona mampiahiahy any amin’ny toerana tsirairay any, hamongorana ity tsy fandriampahelamana amin’ny ankapobeny ity.

Angamba tsy vitsy amin’ireo olona manana finday tokoa no efa nahazo hafatra fohy (sms) izay milaza fa nahazo fiara raitra sy tsara tarehy avy amin’ny orinasa ranona avy any ananona. Ilay olona tompon’ny finday amin’io, tsy nandray anjara na nilalao tamina karazan-dalao nisy izany loka izany. Efa maro no roboka ary nandany fananana mihitsy nandefa vola tany amin’ilay laharana nandefa ilay « sms » ary misy aza ireo nandany vola nandeha  aman’arivony kilaometatra haka ilay « fananana » saingy indrisy. Very vola fotsiny. Mitovy tsy misy valaka amin’izay ihany koa ny endriny iray nahavoa ireo hôtely ireo : milaza fa hamandrika « chambre » ary olona am-polony izy ireo. Eny an-dalana anefa dia miantso fa nisy loza nihatra tampoka ka mba mangataka vola (misimisy ihany), rehefa tonga any amin’ny hôtely haverina. Rehefa azon’izy ireo anefa izay nilainy, dia any izy no tsy hita intsony.

Manentana ny rehetra araka izany ny eo anivon’ny zandary mba tsy ho mora roboka amin’ireny karazana fandrebirebena angatahana vola ireny. Rehefa tsy nahatsapa tena ianao fa tsy nilalao, hoy ny Kaomandin’ny zandary, dia fisolokiana izy izay. Rehefa olona tsy fantatrao akory no miantso milaza fa ranona miasa amin’ny anona, ary milaza fa mahafantatra anao tsara, mila mailo fa mpisoloky izy izay !

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici